욥기 23장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 17절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia namaly Joba ka nanao hoe: | Then Job answered and said, |
| 2 | Mbola atao ho fikomianao ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin’ ny fisentoako. | Even to day is my complaint bitter: my stroke is heavier than my groaning. |
| 3 | Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin’ ny fitoerany aza! | Oh that I knew where I might find him! that I might come even to his seat! |
| 4 | Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako; | I would order my cause before him, and fill my mouth with arguments. |
| 5 | Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko. | I would know the words which he would answer me, and understand what he would say unto me. |
| 6 | Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy | Will he plead against me with his great power? No; but he would put strength in me. |
| 7 | Fa amin’ izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin’ ny Mpitsara ahy. | There the righteous might dispute with him; so should I be delivered for ever from my judge. |
| 8 | Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy; | Behold, I go forward, but he is not there; and backward, but I cannot perceive him: |
| 9 | Mianavaratra amin’ izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako. | On the left hand, where he doth work, but I cannot behold him: he hideth himself on the right hand, that I cannot see him: |
| 10 | Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena. | But he knoweth the way that I take: when he hath tried me, I shall come forth as gold. |
| 11 | Ny tongotro nifikitra tamin’ ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho. | My foot hath held his steps, his way have I kept, and not declined. |
| 12 | Ny didin’ ny molony tsy mba nialako; Ny tenin’ ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako. | Neither have I gone back from the commandment of his lips; I have esteemed the words of his mouth more than my necessary food. |
| 13 | Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin’ ny fanahiny dia ataony. | But he is in one mind, and who can turn him? and what his soul desireth, even that he doeth. |
| 14 | Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy; | For he performeth the thing that is appointed for me: and many such things are with him. |
| 15 | Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy. | Therefore am I troubled at his presence: when I consider, I am afraid of him. |
| 16 | Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy; | For God maketh my heart soft, and the Almighty troubleth me: |
| 17 | Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako. | Because I was not cut off before the darkness, neither hath he covered the darkness from my face. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL