욥기 22장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 30절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe: | Then Eliphaz the Temanite answered and said, |
| 2 | Mahasoa an’ Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry. | Can a man be profitable unto God, as he that is wise may be profitable unto himself? |
| 3 | Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao? | Is it any pleasure to the Almighty, that thou art righteous? or is it gain to him, that thou makest thy ways perfect? |
| 4 | Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin’ ny fitsarana? | Will he reprove thee for fear of thee? will he enter with thee into judgment? |
| 5 | Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao? | Is not thy wickedness great? and thine iniquities infinite? |
| 6 | Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin’ ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon’ ny mahantra. | For thou hast taken a pledge from thy brother for nought, and stripped the naked of their clothing. |
| 7 | Tsy nanome rano hosotroin’ ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an’ ny noana. | Thou hast not given water to the weary to drink, and thou hast withholden bread from the hungry. |
| 8 | Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo. | But as for the mighty man, he had the earth; and the honourable man dwelt in it. |
| 9 | Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin’ ny kamboty. | Thou hast sent widows away empty, and the arms of the fatherless have been broken. |
| 10 | Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka; | Therefore snares are round about thee, and sudden fear troubleth thee; |
| 11 | Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao? | Or darkness, that thou canst not see; and abundance of waters cover thee. |
| 12 | Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon’ ny kintana, endrey ny hahavony! | Is not God in the height of heaven? and behold the height of the stars, how high they are! |
| 13 | Nefa hoy ianao: Ataon’ Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy? | And thou sayest, How doth God know? can he judge through the dark cloud? |
| 14 | Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin’ ny lanitra Izy. | Thick clouds are a covering to him, that he seeth not; and he walketh in the circuit of heaven. |
| 15 | Moa hizotra amin’ ny lalana izay nalehan’ ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan’ ny olona ratsy fanahy. | Hast thou marked the old way which wicked men have trodden? |
| 16 | Izay nesorina alohan’ ny androny, ka nindaosin’ ny riaka ny fanorenany, | Which were cut down out of time, whose foundation was overflown with a flood: |
| 17 | Dia ireo izay manao tamin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon’ ny Tsitoha atao ho anay? | Which said unto God, Depart from us: and what can the Almighty do for them? |
| 18 | Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan’ ny ratsy fanahy! | Yet he filled their houses with good things: but the counsel of the wicked is far from me. |
| 19 | Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe: | The righteous see it, and are glad: and the innocent laugh them to scorn. |
| 20 | Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon’ ny afo. | Whereas our substance is not cut down, but the remnant of them the fire consumeth. |
| 21 | Mifankazara amin’ ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan’ ny soa aminao. | Acquaint now thyself with him, and be at peace: thereby good shall come unto thee. |
| 22 | Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin’ ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny. | Receive, I pray thee, the law from his mouth, and lay up his words in thine heart. |
| 23 | Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka. | If thou return to the Almighty, thou shalt be built up, thou shalt put away iniquity far from thy tabernacles. |
| 24 | Ario eny amin’ ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin’ ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira; | Then shalt thou lay up gold as dust, and the gold of Ophir as the stones of the brooks. |
| 25 | Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao. | Yea, the Almighty shall be thy defence, and thou shalt have plenty of silver. |
| 26 | Fa amin’ izany dia hiravoravo amin’ ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin’ Andriamanitra. | For then shalt thou have thy delight in the Almighty, and shalt lift up thy face unto God. |
| 27 | Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao. | Thou shalt make thy prayer unto him, and he shall hear thee, and thou shalt pay thy vows. |
| 28 | Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin’ ny lalanao ny mazava. | Thou shalt also decree a thing, and it shall be established unto thee: and the light shall shine upon thy ways. |
| 29 | Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny. | When men are cast down, then thou shalt say, There is lifting up; and he shall save the humble person. |
| 30 | Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan’ ny tananao no hamonjena azy. | He shall deliver the island of the innocent: and it is delivered by the pureness of thine hands. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL