욥기 19장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 29절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia namaly Joba ka nanao hoe: | Then Job answered and said, |
| 2 | Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin’ ny fiteny? | How long will ye vex my soul, and break me in pieces with words? |
| 3 | Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo. | These ten times have ye reproached me: ye are not ashamed that ye make yourselves strange to me. |
| 4 | Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian’ ny fa hadisoako. | And be it indeed that I have erred, mine error remaineth with myself. |
| 5 | Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra, | If indeed ye will magnify yourselves against me, and plead against me my reproach: |
| 6 | Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin’ ny fandrika haratony. | Know now that God hath overthrown me, and hath compassed me with his net. |
| 7 | Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny. | Behold, I cry out of wrong, but I am not heard: I cry aloud, but there is no judgment. |
| 8 | Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin’ ny lalana alehako. | He hath fenced up my way that I cannot pass, and he hath set darkness in my paths. |
| 9 | Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako. | He hath stripped me of my glory, and taken the crown from my head. |
| 10 | Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako. | He hath destroyed me on every side, and I am gone: and mine hope hath he removed like a tree. |
| 11 | Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho. | He hath also kindled his wrath against me, and he counteth me unto him as one of his enemies. |
| 12 | Miara-mandroso ny antokon’ ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko. | His troops come together, and raise up their way against me, and encamp round about my tabernacle. |
| 13 | Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa. | He hath put my brethren far from me, and mine acquaintance are verily estranged from me. |
| 14 | Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy. | My kinsfolk have failed, and my familiar friends have forgotten me. |
| 15 | Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho. | They that dwell in mine house, and my maids, count me for a stranger: I am an alien in their sight. |
| 16 | Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin’ ny vavako aho. | I called my servant, and he gave me no answer; I intreated him with my mouth. |
| 17 | Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak’ ineny aho. | My breath is strange to my wife, though I intreated for the children’s sake of mine own body. |
| 18 | Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny. | Yea, young children despised me; I arose, and they spake against me. |
| 19 | Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko. | All my inward friends abhorred me: and they whom I loved are turned against me. |
| 20 | Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra. | My bone cleaveth to my skin and to my flesh, and I am escaped with the skin of my teeth. |
| 21 | Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan’ Andriamanitra efa mikasika ahy. | Have pity upon me, have pity upon me, O ye my friends; for the hand of God hath touched me. |
| 22 | Nahoana no manenjika ahy tahaka an’ Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin’ ny nofoko? | Why do ye persecute me as God, and are not satisfied with my flesh? |
| 23 | Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin’ ny boky ireny! | Oh that my words were now written! oh that they were printed in a book! |
| 24 | Enga anie ka ho voasoratra amin’ ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin’ ny vatolampy ho mandrakizay izy! | That they were graven with an iron pen and lead in the rock for ever! |
| 25 | Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy. | For I know that my redeemer liveth, and that he shall stand at the latter day upon the earth: |
| 26 | Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ ny nofoko aho, dia hahita an’ Andriamanitra; | And though after my skin worms destroy this body, yet in my flesh shall I see God: |
| 27 | Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko. | Whom I shall see for myself, and mine eyes shall behold, and not another; though my reins be consumed within me. |
| 28 | Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy. | But ye should say, Why persecute we him, seeing the root of the matter is found in me? |
| 29 | Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana. | Be ye afraid of the sword: for wrath bringeth the punishments of the sword, that ye may know there is a judgment. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL