욥기 18장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 21절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe: | Then answered Bildad the Shuhite, and said, |
| 2 | Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay. | How long will it be ere ye make an end of words? mark, and afterwards we will speak. |
| 3 | Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo? | Wherefore are we counted as beasts, and reputed vile in your sight? |
| 4 | Ry ilay mamiravira tena amin’ ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin’ ny fitoerany? | He teareth himself in his anger: shall the earth be forsaken for thee? and shall the rock be removed out of his place? |
| 5 | Tsy izany, fa ho faty ny jiron’ ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony; | Yea, the light of the wicked shall be put out, and the spark of his fire shall not shine. |
| 6 | Ny mazava manjary maizina ao amin’ ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty. | The light shall be dark in his tabernacle, and his candle shall be put out with him. |
| 7 | Etena ny herin’ ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy. | The steps of his strength shall be straitened, and his own counsel shall cast him down. |
| 8 | Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin’ ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin’ ny harato izy; | For he is cast into a net by his own feet, and he walketh upon a snare. |
| 9 | Azon’ ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon’ ny tadivavarana | The gin shall take him by the heel, and the robber shall prevail against him. |
| 10 | Miafina ao amin’ ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana. | The snare is laid for him in the ground, and a trap for him in the way. |
| 11 | Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin’ ny alehany rehetra. | Terrors shall make him afraid on every side, and shall drive him to his feet. |
| 12 | Liana azy ny loza, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany; | His strength shall be hungerbitten, and destruction shall be ready at his side. |
| 13 | Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin’ ny lahimatoan’ ny fahafatesana. | It shall devour the strength of his skin: even the firstborn of death shall devour his strength. |
| 14 | Ongotana hiala amin’ ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin’ ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy. | His confidence shall be rooted out of his tabernacle, and it shall bring him to the king of terrors. |
| 15 | Izay tsy taranany no hitoetra ao amin’ ny lainy; Solifara no hafafy amin’ ny fonenany. | It shall dwell in his tabernacle, because it is none of his: brimstone shall be scattered upon his habitation. |
| 16 | Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka ny rantsany eo ambony. | His roots shall be dried up beneath, and above shall his branch be cut off. |
| 17 | Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin’ ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy. | His remembrance shall perish from the earth, and he shall have no name in the street. |
| 18 | Roahina hiala amin’ ny mazava ho any amin’ ny maizina izy ary enjehina hiala amin’ izao tontolo izao. | He shall be driven from light into darkness, and chased out of the world. |
| 19 | Tsy manana fara mandimby eo amin’ ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin’ ny fonenany. | He shall neither have son nor nephew among his people, nor any remaining in his dwellings. |
| 20 | Ny manjo azy dia italanjonan’ ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra. | They that come after him shall be astonied at his day, as they that went before were affrighted. |
| 21 | Izany tokoa no anjaran’ ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an’ Andriamanitra. | Surely such are the dwellings of the wicked, and this is the place of him that knoweth not God. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL