욥기 17장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 16절
- 1 Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.
- 2 Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.
- 3 Masìna Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?
- 4 Fa ny fon’ ireto dia voahidinao tsy hidiran’ ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.
- 5 Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason’ ny zanany.
- 6 Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin’ ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.
- 7 Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.
- 8 Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy.
- 9 Fa ny marina mifikitra tsara amin’ ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.
- 10 Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.
- 11 Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin’ ny foko indrindra;
- 12 Ny alina ataon’ ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.
- 13 Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita fonenako ihany; Ao amin’ ny maizina no hamelarako ny fandriako.
- 14 Ny fasana no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.
- 15 Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy?
- 16 Midìna any amin’ ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin’ ny vovoka aho.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗