욥기 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 22절
- 1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2 Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.
- 3 Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
- 4 Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
- 5 Mahazo mampahery anareo amin’ ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon’ ny molotro.
- 6 Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangìna aza aho, dia tsy misy mihena izany.
- 7 Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.
- 8 Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.
- 9 Amin’ ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
- 10 Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.
- 11 Efa voatolotr’ Andriamanitra ho amin’ ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan’ ny mpanota.
- 12 Tamin’ ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin’ ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.
- 13 Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin’ ny tany.
- 14 Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.
- 15 Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin’ ny vovoka ny tandroko.
- 16 Ny tavako tera-menan’ ny fitomaniana, ary eo amin’ ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
- 17 Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
- 18 Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
- 19 Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin’ ny avo.
- 20 Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan’ Andriamanitra kosa aho,
- 21 Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak’ olombelona amin’ ny sakaizako.
- 22 Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin’ ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗