욥기 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 22절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia namaly Joba ka nanao hoe: | Then Job answered and said, |
| 2 | Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra. | I have heard many such things: miserable comforters are ye all. |
| 3 | Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany? | Shall vain words have an end? or what emboldeneth thee that thou answerest? |
| 4 | Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo; | I also could speak as ye do: if your soul were in my soul’s stead, I could heap up words against you, and shake mine head at you. |
| 5 | Mahazo mampahery anareo amin’ ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon’ ny molotro. | But I would strengthen you with my mouth, and the moving of my lips should asswage your grief. |
| 6 | Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangìna aza aho, dia tsy misy mihena izany. | Though I speak, my grief is not asswaged: and though I forbear, what am I eased? |
| 7 | Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra. | But now he hath made me weary: thou hast made desolate all my company. |
| 8 | Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany. | And thou hast filled me with wrinkles, which is a witness against me: and my leanness rising up in me beareth witness to my face. |
| 9 | Amin’ ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko; | He teareth me in his wrath, who hateth me: he gnasheth upon me with his teeth; mine enemy sharpeneth his eyes upon me. |
| 10 | Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy. | They have gaped upon me with their mouth; they have smitten me upon the cheek reproachfully; they have gathered themselves together against me. |
| 11 | Efa voatolotr’ Andriamanitra ho amin’ ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan’ ny mpanota. | God hath delivered me to the ungodly, and turned me over into the hands of the wicked. |
| 12 | Tamin’ ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin’ ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny. | I was at ease, but he hath broken me asunder: he hath also taken me by my neck, and shaken me to pieces, and set me up for his mark. |
| 13 | Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin’ ny tany. | His archers compass me round about, he cleaveth my reins asunder, and doth not spare; he poureth out my gall upon the ground. |
| 14 | Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy. | He breaketh me with breach upon breach, he runneth upon me like a giant. |
| 15 | Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin’ ny vovoka ny tandroko. | I have sewed sackcloth upon my skin, and defiled my horn in the dust. |
| 16 | Ny tavako tera-menan’ ny fitomaniana, ary eo amin’ ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana; | My face is foul with weeping, and on my eyelids is the shadow of death; |
| 17 | Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako. | Not for any injustice in mine hands: also my prayer is pure. |
| 18 | Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako! | O earth, cover not thou my blood, and let my cry have no place. |
| 19 | Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin’ ny avo. | Also now, behold, my witness is in heaven, and my record is on high. |
| 20 | Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan’ Andriamanitra kosa aho, | My friends scorn me: but mine eye poureth out tears unto God. |
| 21 | Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak’ olombelona amin’ ny sakaizako. | O that one might plead for a man with God, as a man pleadeth for his neighbour! |
| 22 | Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin’ ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho. | When a few years are come, then I shall go the way whence I shall not return. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL