욥기 15장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 35절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe: | Then answered Eliphaz the Temanite, and said, |
| 2 | Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin’ ny rivotra avy any atsinanana va, | Should a wise man utter vain knowledge, and fill his belly with the east wind? |
| 3 | Ary hamaly amin’ ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara? | Should he reason with unprofitable talk? or with speeches wherewith he can do no good? |
| 4 | Eny, foananao ny fahatahorana an’ Andriamanitra, ary tampenanao ny fivavahana eo anatrehany; | Yea, thou castest off fear, and restrainest prayer before God. |
| 5 | Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan’ ny fetsy ianao. | For thy mouth uttereth thine iniquity, and thou choosest the tongue of the crafty. |
| 6 | Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao. | Thine own mouth condemneth thee, and not I: yea, thine own lips testify against thee. |
| 7 | Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan’ ny tendrombohitra va ianao? | Art thou the first man that was born? or wast thou made before the hills? |
| 8 | Isan’ ny mpihevitra teo amin’ Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena? | Hast thou heard the secret of God? and dost thou restrain wisdom to thyself? |
| 9 | Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa? | What knowest thou, that we know not? what understandest thou, which is not in us? |
| 10 | Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza. | With us are both the grayheaded and very aged men, much elder than thy father. |
| 11 | Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin’ Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin’ ny fahalemem-panahy? | Are the consolations of God small with thee? is there any secret thing with thee? |
| 12 | Nahoana no dia entin’ ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao, | Why doth thine heart carry thee away? and what do thy eyes wink at, |
| 13 | Ka miefonefona amin’ Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao? | That thou turnest thy spirit against God, and lettest such words go out of thy mouth? |
| 14 | Inona ny zanak’ olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina? | What is man, that he should be clean? and he which is born of a woman, that he should be righteous? |
| 15 | Indro, ireo anjeliny aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony; | Behold, he putteth no trust in his saints; yea, the heavens are not clean in his sight. |
| 16 | Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano! | How much more abominable and filthy is man, which drinketh iniquity like water? |
| 17 | Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko, | I will shew thee, hear me; and that which I have seen I will declare; |
| 18 | Dia zavatra notorin’ ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin’ ny razany; | Which wise men have told from their fathers, and have not hid it: |
| 19 | Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy. | Unto whom alone the earth was given, and no stranger passed among them. |
| 20 | Ny ratsy fanahy mijalijaly amin’ ny androny rehetra, dia amin’ ny taona rehetra voatendry ho an’ ny lozabe. | The wicked man travaileth with pain all his days, and the number of years is hidden to the oppressor. |
| 21 | Feo mampitahotra no ren’ ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba. | A dreadful sound is in his ears: in prosperity the destroyer shall come upon him. |
| 22 | Tsy manantena ho afaka amin’ ny maizina izy; Andrasan’ ny sabatra izy. | He believeth not that he shall return out of darkness, and he is waited for of the sword. |
| 23 | Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina. | He wandereth abroad for bread, saying, Where is it? he knoweth that the day of darkness is ready at his hand. |
| 24 | Fahoriana sy fahaporitana no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin’ ny ady, | Trouble and anguish shall make him afraid; they shall prevail against him, as a king ready to the battle. |
| 25 | Satria naninjitra ny tanany hanohitra an’ Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha. | For he stretcheth out his hand against God, and strengtheneth himself against the Almighty. |
| 26 | Mimaona amin’ ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin’ ny foitran’ ampingany matevina, | He runneth upon him, even on his neck, upon the thick bosses of his bucklers: |
| 27 | Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany; | Because he covereth his face with his fatness, and maketh collops of fat on his flanks. |
| 28 | Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran’ olona, izay efa voatendry ho korontam-bato. | And he dwelleth in desolate cities, and in houses which no man inhabiteth, which are ready to become heaps. |
| 29 | Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra ambonin’ ny tany ny fananany. | He shall not be rich, neither shall his substance continue, neither shall he prolong the perfection thereof upon the earth. |
| 30 | Tsy ho afaka amin’ ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon’ ny lelafo; ho levon’ ny fofonain’ Andriamanitra izy. | He shall not depart out of darkness; the flame shall dry up his branches, and by the breath of his mouth shall he go away. |
| 31 | Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy. | Let not him that is deceived trust in vanity: for vanity shall be his recompence. |
| 32 | Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany. | It shall be accomplished before his time, and his branch shall not be green. |
| 33 | Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny. | He shall shake off his unripe grape as the vine, and shall cast off his flower as the olive. |
| 34 | Fa tsy ho vanona ny ankohonan’ ny mpihatsaravelatsihy, ary ho lanin’ ny afo ny tranon’ ny mpitoroka. | For the congregation of hypocrites shall be desolate, and fire shall consume the tabernacles of bribery. |
| 35 | Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka. | They conceive mischief, and bring forth vanity, and their belly prepareth deceit. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL