욥기 14장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 22절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana. | Man that is born of a woman is of few days, and full of trouble. |
| 2 | Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra. | He cometh forth like a flower, and is cut down: he fleeth also as a shadow, and continueth not. |
| 3 | kanefa amin’ izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin’ ny fitsarana! | And dost thou open thine eyes upon such an one, and bringest me into judgment with thee? |
| 4 | Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza. | Who can bring a clean thing out of an unclean? not one. |
| 5 | Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan’ ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana, | Seeing his days are determined, the number of his months are with thee, thou hast appointed his bounds that he cannot pass; |
| 6 | Dia mihodìna tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin’ ny androny toy ny mpikarama. | Turn from him, that he may rest, till he shall accomplish, as an hireling, his day. |
| 7 | Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony; | For there is hope of a tree, if it be cut down, that it will sprout again, and that the tender branch thereof will not cease. |
| 8 | Na dia efa tonga antitra ao amin’ ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin’ ny vovoka ny fotony, | Though the root thereof wax old in the earth, and the stock thereof die in the ground; |
| 9 | Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena. | Yet through the scent of water it will bud, and bring forth boughs like a plant. |
| 10 | Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy? | But man dieth, and wasteth away: yea, man giveth up the ghost, and where is he? |
| 11 | Ny rano miala eo amin’ ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra, | As the waters fail from the sea, and the flood decayeth and drieth up: |
| 12 | Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian’ ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin’ ny torimasony. | So man lieth down, and riseth not: till the heavens be no more, they shall not awake, nor be raised out of their sleep. |
| 13 | Enga anie ka hanafina ahy any amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr’ andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy | O that thou wouldest hide me in the grave, that thou wouldest keep me secret, until thy wrath be past, that thou wouldest appoint me a set time, and remember me! |
| 14 | Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ ny fahafahako. | If a man die, shall he live again? all the days of my appointed time will I wait, till my change come. |
| 15 | Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ ny tananao Hianao. | Thou shalt call, and I will answer thee: thou wilt have a desire to the work of thine hands. |
| 16 | Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao? | For now thou numberest my steps: dost thou not watch over my sin? |
| 17 | Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko. | My transgression is sealed up in a bag, and thou sewest up mine iniquity. |
| 18 | Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin’ ny fitoerany; | And surely the mountain falling cometh to nought, and the rock is removed out of his place. |
| 19 | Lanin’ ny rano ny vato; ary indaosin’ ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan’ ny zanak’ olombelona. | The waters wear the stones: thou washest away the things which grow out of the dust of the earth; and thou destroyest the hope of man. |
| 20 | Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy. | Thou prevailest for ever against him, and he passeth: thou changest his countenance, and sendest him away. |
| 21 | Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany. | His sons come to honour, and he knoweth it not; and they are brought low, but he perceiveth it not of them. |
| 22 | Ny mihatra amin’ ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin’ ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny. | But his flesh upon him shall have pain, and his soul within him shall mourn. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL