욥기 13장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 28절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Indro, izany rehetra izany efa hitan’ ny masoko, ary efa ren’ ny sofiko ka fantany. | Lo, mine eye hath seen all this, mine ear hath heard and understood it. |
| 2 | Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory. | What ye know, the same do I know also: I am not inferior unto you. |
| 3 | Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny. | Surely I would speak to the Almighty, and I desire to reason with God. |
| 4 | Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra, | But ye are forgers of lies, ye are all physicians of no value. |
| 5 | Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany! | O that ye would altogether hold your peace! and it should be your wisdom. |
| 6 | Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro. | Hear now my reasoning, and hearken to the pleadings of my lips. |
| 7 | Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an’ Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo? | Will ye speak wickedly for God? and talk deceitfully for him? |
| 8 | Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an’ Andriamanitra va ianareo | Will ye accept his person? will ye contend for God? |
| 9 | Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak’ olombelona va Izy? | Is it good that he should search you out? or as one man mocketh another, do ye so mock him? |
| 10 | Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo. | He will surely reprove you, if ye do secretly accept persons. |
| 11 | Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy? | Shall not his excellency make you afraid? and his dread fall upon you? |
| 12 | Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo. | Your remembrances are like unto ashes, your bodies to bodies of clay. |
| 13 | Mangìna, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy. | Hold your peace, let me alone, that I may speak, and let come on me what will. |
| 14 | Nahoana no hitondra ny nofoko amin’ ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho. | Wherefore do I take my flesh in my teeth, and put my life in mine hand? |
| 15 | Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho. | Though he slay me, yet will I trust in him: but I will maintain mine own ways before him. |
| 16 | Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany. | He also shall be my salvation: for an hypocrite shall not come before him. |
| 17 | Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren’ ny sofinareo ny filazàko. | Hear diligently my speech, and my declaration with your ears. |
| 18 | Indro, fa efa voatoriko ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho. | Behold now, I have ordered my cause; I know that I shall be justified. |
| 19 | Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina. | Who is he that will plead with me? for now, if I hold my tongue, I shall give up the ghost. |
| 20 | Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho; | Only do not two things unto me: then will I not hide myself from thee. |
| 21 | Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao. | Withdraw thine hand far from me: and let not thy dread make me afraid. |
| 22 | Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho. | Then call thou, and I will answer: or let me speak, and answer thou me. |
| 23 | Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho. | How many are mine iniquities and sins? make me to know my transgression and my sin. |
| 24 | Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao? | Wherefore hidest thou thy face, and holdest me for thine enemy? |
| 25 | Moa izay ravin-kazo indaosin’ ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao? | Wilt thou break a leaf driven to and fro? and wilt thou pursue the dry stubble? |
| 26 | Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako; | For thou writest bitter things against me, and makest me to possess the iniquities of my youth. |
| 27 | Dia mampiditra ny tongotro eo amin’ ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin’ ny tongotro dia feranao. | Thou puttest my feet also in the stocks, and lookest narrowly unto all my paths; thou settest a print upon the heels of my feet. |
| 28 | Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin’ ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin’ ny kalalao. | And he, as a rotten thing, consumeth, as a garment that is moth eaten. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL