욥기 14장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 22절
- 1 Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
- 2 Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.
- 3 kanefa amin’ izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin’ ny fitsarana!
- 4 Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
- 5 Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan’ ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,
- 6 Dia mihodìna tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin’ ny androny toy ny mpikarama.
- 7 Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;
- 8 Na dia efa tonga antitra ao amin’ ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin’ ny vovoka ny fotony,
- 9 Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.
- 10 Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?
- 11 Ny rano miala eo amin’ ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,
- 12 Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian’ ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin’ ny torimasony.
- 13 Enga anie ka hanafina ahy any amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr’ andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy
- 14 Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ ny fahafahako.
- 15 Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ ny tananao Hianao.
- 16 Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?
- 17 Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.
- 18 Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin’ ny fitoerany;
- 19 Lanin’ ny rano ny vato; ary indaosin’ ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan’ ny zanak’ olombelona.
- 20 Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.
- 21 Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.
- 22 Ny mihatra amin’ ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin’ ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗