욥기 13장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 28절
- 1 Indro, izany rehetra izany efa hitan’ ny masoko, ary efa ren’ ny sofiko ka fantany.
- 2 Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.
- 3 Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
- 4 Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,
- 5 Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!
- 6 Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.
- 7 Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an’ Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?
- 8 Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an’ Andriamanitra va ianareo
- 9 Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak’ olombelona va Izy?
- 10 Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.
- 11 Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?
- 12 Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.
- 13 Mangìna, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.
- 14 Nahoana no hitondra ny nofoko amin’ ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho.
- 15 Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.
- 16 Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.
- 17 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren’ ny sofinareo ny filazàko.
- 18 Indro, fa efa voatoriko ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.
- 19 Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.
- 20 Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;
- 21 Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.
- 22 Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.
- 23 Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.
- 24 Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?
- 25 Moa izay ravin-kazo indaosin’ ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?
- 26 Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;
- 27 Dia mampiditra ny tongotro eo amin’ ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin’ ny tongotro dia feranao.
- 28 Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin’ ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin’ ny kalalao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗