욥기 12장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 25절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia namaly Joba ka nanao hoe: | And Job answered and said, |
| 2 | Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena! | No doubt but ye are the people, and wisdom shall die with you. |
| 3 | Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany? | But I have understanding as well as you; I am not inferior to you: yea, who knoweth not such things as these? |
| 4 | Tonga fihomehezan’ ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an’ Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny. | I am as one mocked of his neighbour, who calleth upon God, and he answereth him: the just upright man is laughed to scorn. |
| 5 | Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin’ izay ela mangozohozo ny latsa. | He that is ready to slip with his feet is as a lamp despised in the thought of him that is at ease. |
| 6 | Mandry fahizay ny lain’ ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an’ Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin’ ny tànany ho andriamaniny | The tabernacles of robbers prosper, and they that provoke God are secure; into whose hand God bringeth abundantly. |
| 7 | Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy; | But ask now the beasts, and they shall teach thee; and the fowls of the air, and they shall tell thee: |
| 8 | Ary makà saina amin’ ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao. | Or speak to the earth, and it shall teach thee: and the fishes of the sea shall declare unto thee. |
| 9 | Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan’ i Jehovah, | Who knoweth not in all these that the hand of the Lord hath wrought this? |
| 10 | Izay mitana ny ain’ ny zava-manan’ aina rehetra sy ny fofonain’ ny olombelona rehetra? | In whose hand is the soul of every living thing, and the breath of all mankind. |
| 11 | Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina? | Doth not the ear try words? and the mouth taste his meat? |
| 12 | Ao amin’ ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana. | With the ancient is wisdom; and in length of days understanding. |
| 13 | Ao amin’ Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana. | With him is wisdom and strength, he hath counsel and understanding. |
| 14 | Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana. | Behold, he breaketh down, and it cannot be built again: he shutteth up a man, and there can be no opening. |
| 15 | Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany. | Behold, he withholdeth the waters, and they dry up: also he sendeth them out, and they overturn the earth. |
| 16 | Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka. | With him is strength and wisdom: the deceived and the deceiver are his. |
| 17 | Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan’ ny mpitsara. | He leadeth counsellors away spoiled, and maketh the judges fools. |
| 18 | Vahany ny fifehezan’ ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany. | He looseth the bond of kings, and girdeth their loins with a girdle. |
| 19 | Alàny voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany. | He leadeth princes away spoiled, and overthroweth the mighty. |
| 20 | Koroiny ny laha-tenin’ ny mahay, ary ny fahazavan-tsain’ ny anti-panahy dia esoriny. | He removeth away the speech of the trusty, and taketh away the understanding of the aged. |
| 21 | Mandatsaka fanamavoana amin’ ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon’ ny matanjaka. | He poureth contempt upon princes, and weakeneth the strength of the mighty. |
| 22 | Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin’ ny mazava. | He discovereth deep things out of darkness, and bringeth out to light the shadow of death. |
| 23 | Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray. | He increaseth the nations, and destroyeth them: he enlargeth the nations, and straiteneth them again. |
| 24 | Mahavery saina ny loholona amin’ ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana; | He taketh away the heart of the chief of the people of the earth, and causeth them to wander in a wilderness where there is no way. |
| 25 | Mitsapatsapa amin’ ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy. | They grope in the dark without light, and he maketh them to stagger like a drunken man. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL