욥기 11장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 20절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe: | Then answered Zophar the Naamathite, and said, |
| 2 | Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va? | Should not the multitude of words be answered? and should a man full of talk be justified? |
| 3 | Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra, | Should thy lies make men hold their peace? and when thou mockest, shall no man make thee ashamed? |
| 4 | Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho. | For thou hast said, My doctrine is pure, and I am clean in thine eyes. |
| 5 | Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao! | But oh that God would speak, and open his lips against thee; |
| 6 | Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian’ Andriamanitra avokoa ny helokao. | And that he would shew thee the secrets of wisdom, that they are double to that which is! Know therefore that God exacteth of thee less than thine iniquity deserveth. |
| 7 | Takatry ny sainao va ny fomban’ Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha | Canst thou by searching find out God? canst thou find out the Almighty unto perfection? |
| 8 | Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao? | It is as high as heaven; what canst thou do? deeper than hell; what canst thou know? |
| 9 | Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina. | The measure thereof is longer than the earth, and broader than the sea. |
| 10 | Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy? | If he cut off, and shut up, or gather together, then who can hinder him? |
| 11 | Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy. | For he knoweth vain men: he seeth wickedness also; will he not then consider it? |
| 12 | Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona. | For vain man would be wise, though man be born like a wild ass’s colt. |
| 13 | Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao, | If thou prepare thine heart, and stretch out thine hands toward him; |
| 14 | Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao; | If iniquity be in thine hand, put it far away, and let not wickedness dwell in thy tabernacles. |
| 15 | Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra; | For then shalt thou lift up thy face without spot; yea, thou shalt be stedfast, and shalt not fear: |
| 16 | Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy. | Because thou shalt forget thy misery, and remember it as waters that pass away: |
| 17 | Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina. | And thine age shall be clearer than the noonday; thou shalt shine forth, thou shalt be as the morning. |
| 18 | Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin’ ahiahy. | And thou shalt be secure, because there is hope; yea, thou shalt dig about thee, and thou shalt take thy rest in safety. |
| 19 | Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao. | Also thou shalt lie down, and none shall make thee afraid; yea, many shall make suit unto thee. |
| 20 | Fa ny mason’ ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina. | But the eyes of the wicked shall fail, and they shall not escape, and their hope shall be as the giving up of the ghost. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL