예레미야애가 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 예레미야애가 (Lamentations) · 22절
- 1 Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.
- 2 Ny lovanay dia afindra ho an’ ny vahiny ary ny tranonay ho an’ ny hafa firenena.
- 3 Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena.
- 4 Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo.
- 5 Rambondrambonan’ ny mpanenjika amin’ ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.
- 6 Nanolo-tanana tamin’ ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.
- 7 Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony.
- 8 Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin’ ny tànany.
- 9 Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.
- 10 Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin’ ny mosary.
- 11 Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin’ ny tanànan’ ny Joda.
- 12 Nahantona tamin’ ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.
- 13 Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.
- 14 Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.
- 15 Ny hafalian’ ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.
- 16 Efa afaka ny satro-boninahitra tamin’ ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!
- 17 Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay,
- 18 Noho ny amin’ ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen’ ny amboahaolo.
- 19 Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
- 20 Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava?
- 21 Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.
- 22 Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗