예레미야애가 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 예레미야애가 (Lamentations) · 22절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay. | Remember, O Lord, what is come upon us: consider, and behold our reproach. |
| 2 | Ny lovanay dia afindra ho an’ ny vahiny ary ny tranonay ho an’ ny hafa firenena. | Our inheritance is turned to strangers, our houses to aliens. |
| 3 | Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena. | We are orphans and fatherless, our mothers are as widows. |
| 4 | Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo. | We have drunken our water for money; our wood is sold unto us. |
| 5 | Rambondrambonan’ ny mpanenjika amin’ ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana. | Our necks are under persecution: we labour, and have no rest. |
| 6 | Nanolo-tanana tamin’ ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina. | We have given the hand to the Egyptians, and to the Assyrians, to be satisfied with bread. |
| 7 | Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony. | Our fathers have sinned, and are not; and we have borne their iniquities. |
| 8 | Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin’ ny tànany. | Servants have ruled over us: there is none that doth deliver us out of their hand. |
| 9 | Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina. | We gat our bread with the peril of our lives because of the sword of the wilderness. |
| 10 | Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin’ ny mosary. | Our skin was black like an oven because of the terrible famine. |
| 11 | Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin’ ny tanànan’ ny Joda. | They ravished the women in Zion, and the maids in the cities of Judah. |
| 12 | Nahantona tamin’ ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina. | Princes are hanged up by their hand: the faces of elders were not honoured. |
| 13 | Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo. | They took the young men to grind, and the children fell under the wood. |
| 14 | Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony. | The elders have ceased from the gate, the young men from their musick. |
| 15 | Ny hafalian’ ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana. | The joy of our heart is ceased; our dance is turned into mourning. |
| 16 | Efa afaka ny satro-boninahitra tamin’ ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota! | The crown is fallen from our head: woe unto us, that we have sinned! |
| 17 | Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay, | For this our heart is faint; for these things our eyes are dim. |
| 18 | Noho ny amin’ ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen’ ny amboahaolo. | Because of the mountain of Zion, which is desolate, the foxes walk upon it. |
| 19 | Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin’ ny taranaka fara mandimby. | Thou, O Lord, remainest for ever; thy throne from generation to generation. |
| 20 | Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava? | Wherefore dost thou forget us for ever, and forsake us so long time? |
| 21 | Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay. | Turn thou us unto thee, O Lord, and we shall be turned; renew our days as of old. |
| 22 | Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra? | But thou hast utterly rejected us; thou art very wroth against us. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL