열왕기상 17장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 열왕기상 (1 Kings) · 24절
- 1 Ary Elia Tisbita, isan’ ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin’ i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin’ izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.
- 2 Ary ny tenin’ i Jehovah tonga taminy nanao hoe:
- 3 Mialà eto ianao, dia miantsinanàna ka miere any anilan’ ny renirano Kerita, izay any atsinanan’ i Jordana.
- 4 Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any.
- 5 Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin’ i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan’ ny renirano Kerita any atsinanan’ i Jordana.
- 6 Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin’ ny renirano no nisotroany.
- 7 Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian’ ny ranonorana tamin’ ny tany.
- 8 Ary ny tenin’ i Jehovah tonga taminy ka nanao hoe:
- 9 Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman’ i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao.
- 10 Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin’ ny tanàna izy, dia, indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna hianao, itondray rano kely amin’ ny fisotroana aho mba hosotroiko.
- 11 Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho.
- 12 Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan’ ila ao amin’ ny barika sy diloilo kely foana ao amin’ ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay.
- 13 Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa.
- 14 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin’ ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin’ ny tavoara mandra-pihavin’ ny andro handatsahan’ i Jehovah ranonorana amin’ ny tany.
- 15 Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin’ i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin’ ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany.
- 16 Nefa tsy lany ny koba tao amin’ ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin’ ny tavoara, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Elia.
- 17 Ary nony afaka izany, dia narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny aretiny, ka efa tsy nisy fofonaina intsony izy.
- 18 Dia hoy ravehivavy tamin’ i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin’ Andriamanitra ô? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako?
- 19 Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany.
- 20 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin’ ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany?
- 21 Dia niampatra intelo tamin’ ny zaza izy sady nitaraina tamin’ i Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain’ ity zaza ity.
- 22 Ary Jehovah nihaino ny feon’ i Elia, dia nody taminy indray ny ain’ ny zaza, ka dia velona izy.
- 23 Ary Elia nandray ny zaza ka nitondra azy nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty trano, dia natolony an-dreniny, ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao.
- 24 Ary hoy ravehivavy tamin’ i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin’ Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin’ i Jehovah aloaky ny vavanao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗