열왕기상 18장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 열왕기상 (1 Kings) · 46절
- 1 Ary nony afaka andro maro, dia tonga tamin’ i Elia ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny taona fahatelo nanao hoe: Mandehana hiseho amin’ i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin’ ny tany Aho.
- 2 Dia niainga Elia hiseho amin’ i Ahaba. Ary mafy ny mosary tany Samaria.
- 3 Ary Ahaba niantso an’ i Obadia, izay lehiben’ ny tao an-dapany (Obadia dia natahotra an’ i Jehovah tokoa,
- 4 ka nony naringan’ i Jezebela ny mpaminanin’ i Jehovah, dia nalain’ i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo).
- 5 Ary hoy Ahaba tamin’ i Obadia: Andeha mitety ny tany, dia hatrany amin’ ny loharano rehetra sy hatrany amin’ ny lohasahan-driaka rehetra; fa angamba hahita ahitra hamelomana ny soavaly sy ny ampondra isika, mba tsy hisy hovonointsika ny biby fiompintsika.
- 6 Dia nizara lalana izy, ka Ahaba nandeha tamin’ ny lalana iray, ary Obadia kosa nandeha tamin’ ny lalana iray.
- 7 Ary raha tany an-dalana Obadia indro, Elia nifanena taminy; ary nahalala azy izy, dia niankohoka ka nanao hoe: Hay! ianao va ity, ry Elia tompoko?
- 8 Ary izy namaly azy hoe: Eny, izaho ity, andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
- 9 Fa hoy Obadia: Inona no heloko, no anoloranao ny mpanomponao ho eo an-tànan’ i Ahaba hamonoany ahy?
- 10 Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan’ ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany raha tsy nahita anao izy.
- 11 Ary ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
- 12 Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho entin’ ny Fanahin’ i Jehovah any amin’ izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin’ i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an’ i Jehovah hatry ny fony mbola kely.
- 13 Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin’ ilay namonoan’ i Jezebela ny mpaminanin’ i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin’ i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo?
- 14 Nefa ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia; dia hamono ahy Ahaba.
- 15 Fa hoy Elia: Raha velona koa Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, dia hiseho aminy tokoa aho anio.
- 16 Dia lasa Obadia nitsena an’ i Ahaba ka nilaza taminy; ary Ahaba nandeha hitsena an’ i Elia.
- 17 Ary nony hitan’ i Ahaba Elia, dia hoy izy taminy: Hay! tonga etỳ ianao, ry ilay mampidi-doza amin’ ny Isiraely!
- 18 Fa Elia namaly hoe: Tsy izaho no nampidi-doza tamin’ ny Isiraely, fa ianao sy ny mpianakavin’ ny rainao ihany tamin’ ny nandavanareo ny didin’ i Jehovah sy ny nanarahanao ireo Bala.
- 19 Ary ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary ny mpaminanin’ i Bala dimam-polo amby efa-jato sy ny mpaminanin’ ny Aseraha efa-jato, izay mihinana eo amin’ ny latabatr’ i Jezebela.
- 20 Dia naniraka tany amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra Ahaba ka namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.
- 21 Ary dia nankeo amin’ ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.
- 22 Dia hoy Elia tamin’ ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin’ ny mpaminanin’ i Jehovah; fa ny mpaminanin’ i Bala kosa dia dimam-polo amby efa-jato lahy.
- 23 Koa aoka ireo no hanome vantotr’ ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin’ ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin’ ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao.
- 24 Ary miantsoa ny anaran’ ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran’ i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin’ ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany.
- 25 Ary hoy Elia tamin’ ireo mpaminanin’ i Bala: Mifidiana vantotr’ ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran’ ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao.
- 26 Dia naka ny vantotr’ ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran’ i Bala hatramin’ ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô, henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin’ ny alitara izay nataony izy.
- 27 Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina.
- 28 Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin’ ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-drà tamin’ ny tenany.
- 29 Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.
- 30 Ary hoy Elia tamin’ ny olona rehetra: Manatona ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny alitaran’ i Jehovah izay efa rava
- 31 ka naka vato roa ambin’ ny folo, araka ny isan’ ny firenen’ ny zanak’ i Jakoba, izay nihavian’ ilay tenin’ i Jehovah hoe: Isiraely no ho anaranao;
- 32 ary izany vato izany dia nataony alitara ho an’ ny anaran’ i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy voan-javatra indroan’ ny famarana.
- 33 Ary nandahatra ny kitay hazo izy, dia nandrasa ny vantotr’ ombilahy ka nametraka azy teo ambonin’ ny kitay hazo,
- 34 dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin’ ny fanatitra dorana sy amin’ ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa.
- 35 Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely.
- 36 Ary nony tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin’ ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao.
- 37 Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran’ ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray.
- 38 Dia latsaka ny afon’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ ny hady kely.
- 39 Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.
- 40 Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin’ i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza. Dia nosamborin’ ny olona izy; ary nentin’ i Elia ho eo amin’ ny ony Kisona, ka dia novonoiny teo.
- 41 Ary hoy Elia tamin’ i Ahaba: Miakara hihinana sy hisotro, fa misasasasa izato ny ranonorana be.
- 42 Dia niakatra hihinana sy hisotro Ahaba. Fa Elia kosa niakatra ho eo an-tampon’ i Karmela, dia niankohoka tamin’ ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan’ ny lohaliny
- 43 Ary hoy izy tamin’ ny zatovony: Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana koa impito.
- 44 Ary nony fanimpitony, dia hoy izy: Misy rahona kely hoatra ny tànan’ olona miakatra avy eny amin’ ny ranomasina. Dia hoy izy: Miakara, ka lazao amin’ i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao, ka midìna, fandrao voasakan’ ny ranonorana ianao.
- 45 Ary vetivety dia maintin’ ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, ka nisy ranonorana be. Ary Ahaba niakatra tamin’ ny kalesy ka nankany Jezirela.
- 46 Ary ny tànan’ i Jehovah dia tao amin’ i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗