열왕기상 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 열왕기상 (1 Kings) · 34절
- 1 Ary tonga tamin’ i Jeho, zanak’ i Hanany, ny tenin’ i Jehovah ny amin i Basa nanao hoe:
- 2 Satria nasandratro avy tamin’ ny vovoka ianao ka notendreko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; nefa kosa nandeha tamin’ ny lalan’ i Jeroboama ihany ianao ary nampanota ny Isiraely oloko ka nampahatezitra Ahy tamin’ ny fahotany,
- 3 dia, indro, hofongorako Basa sy ny taranany, ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak’ Jeroboama, zanak’ i Nebata.
- 4 Koa izay tamingan’ i Basa maty ao an-tanàna dia hohanin’ ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha dia hohanin’ ny voro-manidina.
- 5 Ary ny tantaran’ i Basa sisa mbamin’ izay nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
- 6 Ary Basa lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Tirza; ary Elaha zanany no nanjaka nandimby azy.
- 7 Ary Jeho mpaminany zanak’ i Hanany, dia nampitondraina ny tenin’ i Jehovah ny amin’ i Basa sy ny taranany, satria nanao ratsy teo imason’ i Jehovah ka nampahatezitra Azy tamin’ ny asan’ ny tanany, ka dia tonga tahaka ny mpianakavin’ i Jeroboama, ary satria namono ireo izy.
- 8 Tamin’ ny taona fahenina amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Elaha, zanak’ i Basa, tamin’ ny Isiraely tao Tirza, ary nanjaka roa taona izy.
- 9 Ary Zimry mpanompony, komandin’ ny antsasaky ny kalesiny, nikomy taminy, raha nisotro ho mamo tao Tirza, tao an-tranon’ i Arza, lehiben’ ny tao an-dapa tao Tirza, izy.
- 10 Dia niditra Zimry ka namely an’ i Elaha ho faty tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy.
- 11 Ary nony vao nanjaka Zimry ka nipetraka tamin’ ny seza fiandrianany, dia namono ny mpianakavin’ i Basa rehetra izy; ka tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy iray akory aza, na tamin’ ny havany, na tamin’ ny sakaizany.
- 12 Toy izany no nandringanan’ i Zimry ny mpianakavin’ i Basa rehetra, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jehovah mpaminany ny amin’ i Basa,
- 13 noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan’ i Elaha zanany koa, izay nataony sady nampanotany ny Isiraely ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny zava-poanany.
- 14 Ary ny tantaran’ i Elaha sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
- 15 Tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no nanjakan’ i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an’ i Gibetona, izay an’ ny Filistina.
- 16 Ary ny olona izay nitoby teo dia nandre hoe: Efa nikomy Zimry sady efa namono ny mpanjaka koa; ary ny Isiraely rehetra tany an-tobiny nampanjaka an’ i Omry, komandin’ ny miaramila, androtrizay ihany ho mpanjakan’ ny Isiraely.
- 17 Dia niakatra avy tao Gibetona Omry sy ny Isiraely rehetra niaraka taminy, ka dia nanao fahirano an’ i Tirza.
- 18 Ary nony hitan’ i Zimry fa afaka ny tanana, dia lasa niditra tao amin’ ny trano avo amin’ ny lapa izy, ary nodorany tamin’ ny afo ny lapa, ka may tao izy, dia maty
- 19 noho ny fahotana izay nataony tamin’ ny nanaovany izay ratsy eo imason’ i Jehovah, tamin’ ny nandehanany tamin’ ny lalan’ i Jeroboama sy tamin’ ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Isiraely.
- 20 Ary ny tantaran’ i Zimry sisa mbamin’ ny fikomiany, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
- 21 Ary tamin’ izany dia nizara roa ny lehilahy amin’ ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak’ i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an’ i Omry.
- 22 Fa ny olona izay nomba an’ i Omry naharesy ny olona izay nomba an’ i Tibny, zanak’ i Ginata; ka dia maty Tibny, ary Omry no nanjaka.
- 23 Tamin’ ny taona fahiraika amby telo-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Omry; ary nanjaka roa ambin’ ny folo taona tamin’ ny Isiraely izy; tao Tirza no nanjakany enin-taona.
- 24 Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin’ i Samera ny havoan’ i Samaria, dia nanao tanàna teo an-tampon’ ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria, araka ny anaran’ i Samera, tompon’ ny havoana, ny anaran’ ny tanàna.
- 25 Fa Omry nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah; eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany izy;
- 26 fa nandeha tamin’ ny lalana rehetra nalehan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sy tamin’ ny fahotana izay nampanotany ny Isiraely izy ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny zava-poanany.
- 27 Ary ny tantaran’ i Omry sisa mbamin’ izay nataony sy ny heriny izay nasehony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
- 28 Ary Omry lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Ahaba zanany no nanjaka nandimby azy.
- 29 Ary Ahaba, zanak’ i Omry, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tamin’ ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ary nanjaka tamin’ ny Isiraely tao Samaria roa amby roa-polo Taona izy.
- 30 Ary Ahaba, zanak’ i Omry, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah mihoatra noho izay rehetra teo alohany.
- 31 Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, ka dia nampakatra an’ i Jezebela, zanakavavin’ i Etibala, mpanjakan’ ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an’ i Bala ka niankohoka teo anatrehany.
- 32 Ary nanao alitara ho an’ i Bala tao amin’ ny tranon’ i Bala izay nataony tao Samaria izy.
- 33 Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan’ ny Isiraely rehetra izay teo alohany.
- 34 Tamin’ ny andron’ i Ahaba no nanorenan’ i Hiela Betelita an’ i Jeriko; ny ain’ i Abìrama lahimatoany no sazin’ ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ i Segoba faralahiny no sazin’ ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Josoa, zanak’ i Nona.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗