역대상 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대상 (1 Chronicles) · 41절
- 1 Ary ny zanakalahin’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ ny zanak’ i Josefa, zanak’ Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ ny fitantaram-pirazanana ireo;
- 2 fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian’ ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an’ i Josefa ihany),
- 3 ny zanakalahin’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.
- 4 Ny zanakalahin’ i Joela dia Semaia, ary Goga no zanakalahin’ i Semaia, Sirney no zanakalahin’ i Goga,
- 5 Mika no zanakalahin’ i simey, Reaia no zanakalahin’ i Mika, Bala no zanakalahin’ i Reaia,
- 6 Bera no zanakalahin’ i Bala, izay nobaboin’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria; izy no loham-pirenen’ ny Robenita.
- 7 Ary ny rahalahiny araka ny fokony avy, raha nisaina ny firazanan’ ny fireneny, dia Jeiela lohany sy Zakaria
- 8 ary Bela, zanak’ i Azaza, zanak’ i Sema, zanak’ i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Balameona.
- 9 Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin’ ny efitra ka hatramin’ ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman’ ondriny nihamaro teny amin’ ny tany Gileada.
- 10 Ary tamin’ ny andron’ i Saoly dia niady tamin’ ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran’ ny ilany atsinanana rehetra amin’ i Gileada izy.
- 11 Ary ny taranak’ i Gada nonina tandrifiny, teny amin’ ny tany Basana hatrany Saleka;
- 12 Joela no lohany, dia Safama no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana.
- 13 Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy Zia ary Ebera; fito izy.
- 14 Ireo no zanakalahin’ i Abihaila, zanak’ i Hory, zanak’ i Jaroa, zanak’ i Gileada, zanak’ i Mikaela, zanak’ i Jesisay, zanak’ i Jado, zanak’ i Boza;
- 15 Ahia, zanak’ i Abdiela, zanak’ i Gony, no lohan’ ny fianakaviany.
- 16 Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin’ ny zana-bohiny ary tamin’ ny tany rehetra an-tsisin’ i Sardna manodidina izy.
- 17 Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin’ ny andron’ i Jotama, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andron’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely.
- 18 Ny taranak’ i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, izay isan’ ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan’ ny azo nalefa hanafika.
- 19 Ary niady tamin’ ny Hagarita sy tamin’ i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy.
- 20 Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin’ izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’ Andriamanitra teo amin’ ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
- 21 Ary nobaboiny ny bibiny, dia rameva dimy alina sy ondry aman’ osy dimy alina amby roa hetsy sy boriky roa arivo ary olona iray hetsy;
- 22 fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin’ Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan’ ny namaboana azy kosa.
- 23 Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia nonina tamin’ ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin’ ny tendrombohitra Hermona.
- 24 Ary izao no lohan’ ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan’ ny fianakaviany avy.
- 25 Ary nivadika tamin’ Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan’ Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
- 26 Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an’ i Pola, mpanjakan’ i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan’ i Asyria, ka dia nobaboin’ ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron’ ny ony Gozana ambaraka androany.
- 27 Ny zanakalahin’ i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary.
- 28 Ary ny zanakalahin’ i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
- 29 Ary ny zanak’ i Amrama dia Arona sy Mosesy ary Miriama. Ny zanakalahin’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
- 30 Eleazara niteraka an’ i Finehasa; ary Finehasa niteraka an’ i Abisoa;
- 31 ary Abisoa niteraka an’ i Boky; ary Boky niteraka an’ i Ozy;
- 32 ary Ozy niteraka an’ i Zerahia; ary Zerahia niteraka an’ i Meraiota;
- 33 ary Meraiota niteraka an’ i Amaria; ary Amaria niteraka an’ i Ahitoba;
- 34 ary Ahitoba niteraka an’ i Zadoka; ary Zadoka niteraka an’ i Ahimaza;
- 35 ary Ahimaza niteraka an’ i Azaria; ary Azaria niteraka an’ i Johanana;
- 36 ary Johanana niteraka an’ i Azaria (ilay nanao fisoronana tao amin’ ny trano nataon’ i Solomona tany Jerosalema);
- 37 ary Azaria niteraka an’ i Amaria; ary Amaria niteraka an’ i Ahitoba;
- 38 ary Ahitoba niteraka an’ i Zadoka; ary Zadoka niteraka an’ i Saloma;
- 39 ary Saloma niteraka an’ i Hilkia; ary Hilkia niteraka an’ i Azaria;
- 40 ary Azaria niteraka an’ i Seraia; ary Seraia niteraka an’ i Jozadaka;
- 41 ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr’ i Jehovah ho babon’ i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗