역대상 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대상 (1 Chronicles) · 54절
- 1 Adama, Seta, Enosy,
- 2 Kenana, Mahalalila, Jareda,
- 3 Enoka, Metosela, Lameka,
- 4 Noa, Sema, Hama ary Jafeta.
- 5 Ny zanakalahin’ i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseta ary Tirasa.
- 6 Ary ny zanakalahin’ i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
- 7 Ary ny zanakalahin’ i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima ary ny Dodanita.
- 8 Ny zanakalahin’ i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.
- 9 Ary ny zanakalahin’ i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragarna ary Sabteka. Ary ny zanakalahin’ i Ragama dia Seba sy Dedana.
- 10 Ary Kosy niteraka an’ i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery teo ambonin’ ny tany.
- 11 Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
- 12 sy ny Patrosita sy ny Kaslohita (izay nihavian’ ny Filistina) ary ny Kaftorita.
- 13 Ary Kanana niteraka an’ i Sidona, lahimatoany, sy Heta
- 14 ary ny Jebosita sy ny Amorita sy ny Girgasita
- 15 sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita
- 16 sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Harnatita.
- 17 Ny zanakalahin’ i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpahada sy Loda sy Arama sy Oza sy Hola sy Gatera ary Maseka.
- 18 Ary Arpaksada niteraka an’ i Sela; ary Sela niteraka an’ i Ebera.
- 19 Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran’ ny iray natao hoe Palega, satria tamin’ ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran’ ny rahalahiny.
- 20 Ary Joktana niteraka an’ i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera
- 21 sy Hadorama sy Ozala sy Dikla
- 22 sy Ebala sy Abimaela sy Sheba
- 23 sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Joktana.
- 24 Sema, Arpaksada, Sela,
- 25 Ebera, Palega, Reo,
- 26 Seroga, Nahora, Tera,
- 27 Abrama (dia Abrahama izany).
- 28 Ny zanakalahin’ i Abrahama dia Isaka sy Isimaela.
- 29 Izao no taranany: Nebaiota, lahimatoan’ Isimaela, dia Kedara sy Abdela sy Mibsama
- 30 sy Misma sy Doma sy Masa sy Hadada sy Tema
- 31 sy Jetora sy Nafisy ary Kedma. Ireo no zanakalahin’ Isimaela.
- 32 Ary ny zanakalahin’ i Ketora, vaditsindranon’ i Abrahama. Izy no niteraka an’ i Zimrama sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha. Ary ny zanakalahin’ i Joksana dia Sheba sy Dedana.
- 33 Ary ny zanakalahin’ i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Ketora.
- 34 Ary Abrahama niteraka an’ Isaka. Ny zanakalahin’ i Isaka dia Esao sy Isiraely.
- 35 Ny zanakalahin’ i Esao dia Elifaza sy Regoela sy Jeosy sy Jalama ary Kora.
- 36 Ny zanak’ i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama sy Kenaza sy Timna ary Amaleka.
- 37 Ny zanakalahin’ i Regoela dia Nahata sy Zera sy Sama ary Miza.
- 38 Ary ny zanakalahin’ i Seïra dia Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana sy Disona sy Ezera ary Disana.
- 39 Ary ny zanakalahin’ i Lotana dia Hory sy Homama; ary Timna no anabavin’ i Lotana.
- 40 Ary ny zanakalahin’ i Sobala dia Aliana sy Manahata sy Ebala sy Sefy ary Onama. Ary ny zanakalahin’ i Zibona dia Aia sy Ana.
- 41 Ary ny zanakalahin’ i Ana dia Disona. Ary ny zanakalahin’ i Disona dia Hamrana sy Esbana sa Jitrana ary Kerana.
- 42 Ary ny zanakalahin i Ezera dia Bilana sy Zavana ary Jakana. Ny zanakalahin’ i Disana dia Oza sy Arana.
- 43 Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin’ ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Bela, zanak’ i Beora; ary Dinaba no anaran’ ny tanànany.
- 44 Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak’ i Zera, avy any Bozra.
- 45 Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama, avy any amin’ ny tanin’ ny Temanita.
- 46 Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak’ i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin’ ny tany Moaba; ary Avita no anaran’ ny tanànany.
- 47 Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy any Masreka.
- 48 Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy any Rehobota eo amoron’ ny Ony.
- 49 Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak’ i Akbora.
- 50 Ary maty Bala-hanana, dia nanjaka nandimby azy Hadada; ary Pao no anaran’ ny tanànany; ary ny anaran’ ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin’ i Matreda, zanakavavin’ i Me-zahaba.
- 51 Dia maty koa Hadada. Ary ny loham-pirenen’ i Edoma dia Timna loham-pireneny, Alva loham-pireneny, Jetata loham-pireneny,
- 52 Oholibama loham-pireneny, Elaha loham-pireneny, Pinona loham-pireneny,
- 53 Kenaza loham-pireneny, Temana loham-pireneny, Mibzara loham-pireneny,
- 54 Magdiela loham-pireneny, Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenen’ i Edoma.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗