역대상 18장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대상 (1 Chronicles) · 17절
- 1 Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin’ ny tanan’ ny Filistina.
- 2 Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon’ i Davida nandoa hetra ireo.
- 3 Dia resin’ i Davida koa Hadarezera, mpanjakan’ i Zoba akaikin’ i Hamata, tamin’ izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron’ ny ony Eofrata.
- 4 Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin’ i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin’ ny kalesy zato ihany no navelany.
- 5 Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an’ i Hadarezera, mpanjakan’ i Zoba, dia nahafatesan’ i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana.
- 6 Ary nisy namponenin’ i Davida tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
- 7 Ary nalain’ i Davida ny ampinga volamena teny amin’ ny mpanompon’ i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema.
- 8 Ary tao Tibata sy Kona, tanànan’ i Hadarezera, no nahazoan’ i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan’ i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.
- 9 Ary nony ren’ i Toy, mpanjakan’ i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an’ i Hadarezera, mpanjakan’ i Zoba,
- 10 dia naniraka an’ i Hadorama zanany hankany amin’ i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’ i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon’ i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy.
- 11 Dia nohamasinin’ i Davida mpanjaka ho an’ i Jehovah koa izany mbamin’ ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin’ ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak’ i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita
- 12 Ary Abisay, zanak’ i Zeroia, naharesy ny Edomita teo amin’ ny Lohasahan-tsira, dia lehilahy valo arivo sy iray alina.
- 13 Ary nametraka miaramila tany Edoma izy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Edomita rehetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
- 14 Ary Davida nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin’ ny fahamarinana.
- 15 Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, no komandin’ ny miaramila; ary Josafata, zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana.
- 16 Ary Zadoka, zanak’ i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak’ i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra.
- 17 Ary Benaia, zanak’ i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak’ i Davida no lehibe tamin’ izay nanolotra ny mpanjaka.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗