역대상 19장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대상 (1 Chronicles) · 19절
- 1 Ary rehefa afaka izany, dia maty Nahasy, mpanjakan’ ny taranak’ i Amona, ary ny zanany no nanjaka nandimby azy.
- 2 Ary hoy Davida: Hanisy soa an’ i Hanona, zanak’ i Nahasy, aho, fa soa no nataon’ ny rainy tamiko. Ary Davida naniraka olona hitsapa alahelo azy noho ny amin-drainy. Ary tonga tany amin’ i Hanona tany amin’ ny tanin’ ny Amonita ny mpanompon’ i Davida hitsapa alahelo azy.
- 3 Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak’ i Amona tamin’ i Hanona: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan’ i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nalehan’ ireo mpanompony ireo atỳ aminao?
- 4 Dia nosamborin’ i Hanona ny mpanompon’ i Davida ka noharatany, sady nofolonany hatreo amin’ ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
- 5 Ary dia nisy lasa nanambara tamin’ i Davida izay natao tamin’ ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ ny somotrareo, vao mody ianareo.
- 6 Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin’ i Davida izy, dia naniraka nampanatitra talenta volafotsy arivo hakaramany kalesy sy mpitaingin-tsoavaly any Mesopotamia sy Syriamaka ary Zoba Hanona sy ny taranak’ i Amona.
- 7 Dia nanakarama kalesy roa arivo amby telo alina mbamin’ ny mpanjakan’ i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby tandrifin’ i Medeba. Ary nivory ny taranak’ Amona niala tany amin’ ny tanànany avy ka tamy hiady.
- 8 Ary nony ren’ i Davida izany, dia naniraka an’ i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
- 9 Ary ny taranak’ i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tanàna; fa ireo mpanjaka tonga ireo kosa dia nitokana teny an-tsaha.
- 10 Ary rehefa hitan’ i Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin’ ireo voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin’ ny Syriana.
- 11 Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin’ i Abisay rahalahiny, ka dia nilahatra hiady amin’ ny taranak’ i Amona ireo.
- 12 Ary hoy Joaba: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak’ i Amona, dia hovonjeko ianao;
- 13 mahereza, ary aoka hitombandahy isika ho an’ ny firenentsika sy ireo tanànan’ Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
- 14 Ary nandroso hiady tamin’ ny Syriana Joaba sy ny olona nanaraka azy; ka dia nandositra niala teo anoloany ireo.
- 15 Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra niala teo anoloan’ i Abisay, rahalahin’ i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary dia tonga tany Jerosalema Joaba.
- 16 Ary nony hitan’ ny Syriana fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin’ ny Ony; ary Sobaka, komandin’ ny miaramilan’ i Hadarezera, no nitarika azy.
- 17 Ary nony nambara tamin i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an’ i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin’ ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo.
- 18 Fa vaky nandositra teo anoloan’ ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin’ ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin’ ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin’ ny miaramila.
- 19 Ary nony hitan’ ireo nanoa an’ i Hadarezera fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin’ i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak’ i Amona intsony ny Syriana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗