역대상 18장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대상 (1 Chronicles) · 17절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin’ ny tanan’ ny Filistina. | Now after this it came to pass, that David smote the Philistines, and subdued them, and took Gath and her towns out of the hand of the Philistines. |
| 2 | Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon’ i Davida nandoa hetra ireo. | And he smote Moab; and the Moabites became David’s servants, and brought gifts. |
| 3 | Dia resin’ i Davida koa Hadarezera, mpanjakan’ i Zoba akaikin’ i Hamata, tamin’ izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron’ ny ony Eofrata. | And David smote Hadarezer king of Zobah unto Hamath, as he went to stablish his dominion by the river Euphrates. |
| 4 | Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin’ i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin’ ny kalesy zato ihany no navelany. | And David took from him a thousand chariots, and seven thousand horsemen, and twenty thousand footmen: David also houghed all the chariot horses, but reserved of them an hundred chariots. |
| 5 | Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an’ i Hadarezera, mpanjakan’ i Zoba, dia nahafatesan’ i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana. | And when the Syrians of Damascus came to help Hadarezer king of Zobah, David slew of the Syrians two and twenty thousand men. |
| 6 | Ary nisy namponenin’ i Davida tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany. | Then David put garrisons in Syria–damascus; and the Syrians became David’s servants, and brought gifts. Thus the Lord preserved David whithersoever he went. |
| 7 | Ary nalain’ i Davida ny ampinga volamena teny amin’ ny mpanompon’ i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema. | And David took the shields of gold that were on the servants of Hadarezer, and brought them to Jerusalem. |
| 8 | Ary tao Tibata sy Kona, tanànan’ i Hadarezera, no nahazoan’ i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan’ i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina. | Likewise from Tibhath, and from Chun, cities of Hadarezer, brought David very much brass, wherewith Solomon made the brasen sea, and the pillars, and the vessels of brass. |
| 9 | Ary nony ren’ i Toy, mpanjakan’ i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an’ i Hadarezera, mpanjakan’ i Zoba, | Now when Tou king of Hamath heard how David had smitten all the host of Hadarezer king of Zobah; |
| 10 | dia naniraka an’ i Hadorama zanany hankany amin’ i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’ i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon’ i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy. | He sent Hadoram his son to king David, to enquire of his welfare, and to congratulate him, because he had fought against Hadarezer, and smitten him; (for Hadarezer had war with Tou;) and with him all manner of vessels of gold and silver and brass. |
| 11 | Dia nohamasinin’ i Davida mpanjaka ho an’ i Jehovah koa izany mbamin’ ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin’ ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak’ i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita | Them also king David dedicated unto the Lord, with the silver and the gold that he brought from all these nations; from Edom, and from Moab, and from the children of Ammon, and from the Philistines, and from Amalek. |
| 12 | Ary Abisay, zanak’ i Zeroia, naharesy ny Edomita teo amin’ ny Lohasahan-tsira, dia lehilahy valo arivo sy iray alina. | Moreover Abishai the son of Zeruiah slew of the Edomites in the valley of salt eighteen thousand. |
| 13 | Ary nametraka miaramila tany Edoma izy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Edomita rehetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany. | And he put garrisons in Edom; and all the Edomites became David’s servants. Thus the Lord preserved David whithersoever he went. |
| 14 | Ary Davida nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin’ ny fahamarinana. | So David reigned over all Israel, and executed judgment and justice among all his people. |
| 15 | Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, no komandin’ ny miaramila; ary Josafata, zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana. | And Joab the son of Zeruiah was over the host; and Jehoshaphat the son of Ahilud, recorder. |
| 16 | Ary Zadoka, zanak’ i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak’ i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra. | And Zadok the son of Ahitub, and Abimelech the son of Abiathar, were the priests; and Shavsha was scribe; |
| 17 | Ary Benaia, zanak’ i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak’ i Davida no lehibe tamin’ izay nanolotra ny mpanjaka. | And Benaiah the son of Jehoiada was over the Cherethites and the Pelethites; and the sons of David were chief about the king. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL