야고보서 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 야고보서 (James) · 18절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra. | My brethren, be not many masters, knowing that we shall receive the greater condemnation. |
| 2 | Fa tafintohina amin’ ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa. | For in many things we offend all. If any man offend not in word, the same is a perfect man, and able also to bridle the whole body. |
| 3 | Ary raha asiantsika lamboridy amin’ ny vavan’ ny soavaly mba hanarahany antsika, dia mitondra ny tenany rehetra isika. | Behold, we put bits in the horses’ mouths, that they may obey us; and we turn about their whole body. |
| 4 | Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin’ ny rivotra mahery, dia ahodin’ ny familiana kely foana izy ho any amin’ izay tian’ ny mpitondra. | Behold also the ships, which though they be so great, and are driven of fierce winds, yet are they turned about with a very small helm, whithersoever the governor listeth. |
| 5 | Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon’ ny antontan-kazo arehitry ny afo kely! | Even so the tongue is a little member, and boasteth great things. Behold, how great a matter a little fire kindleth! |
| 6 | Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin’ ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy; | And the tongue is a fire, a world of iniquity: so is the tongue among our members, that it defileth the whole body, and setteth on fire the course of nature; and it is set on fire of hell. |
| 7 | Fa folaka avokoa ny karazan’ ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin’ ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny; | For every kind of beasts, and of birds, and of serpents, and of things in the sea, is tamed, and hath been tamed of mankind: |
| 8 | fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty. | But the tongue can no man tame; it is an unruly evil, full of deadly poison. |
| 9 | Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik’ Andriamanitra. | Therewith bless we God, even the Father; and therewith curse we men, which are made after the similitude of God. |
| 10 | Ny vava iray ihany no ivoahan’ ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany. | Out of the same mouth proceedeth blessing and cursing. My brethren, these things ought not so to be. |
| 11 | Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ ny vavany iray ihany? | Doth a fountain send forth at the same place sweet water and bitter? |
| 12 | Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan’ oliva, na ny voaloboka mamoa voan’ aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan’ ny mamy. | Can the fig tree, my brethren, bear olive berries? either a vine, figs? so can no fountain both yield salt water and fresh. |
| 13 | Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ ny fitondran-tena tsara ny asany amin’ ny fahalemem-panahin’ ny fahendrena. | Who is a wise man and endued with knowledge among you? let him shew out of a good conversation his works with meekness of wisdom. |
| 14 | Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. | But if ye have bitter envying and strife in your hearts, glory not, and lie not against the truth. |
| 15 | Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ ny demonia. | This wisdom descendeth not from above, but is earthly, sensual, devilish. |
| 16 | Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra. | For where envying and strife is, there is confusion and every evil work. |
| 17 | Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy. | But the wisdom that is from above is first pure, then peaceable, gentle, and easy to be intreated, full of mercy and good fruits, without partiality, and without hypocrisy. |
| 18 | Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ ny fihavanana ho an’ izay mampandroso ny fihavanana. | And the fruit of righteousness is sown in peace of them that make peace. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL