야고보서 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 야고보서 (James) · 26절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan’ olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon’ ny voninahitra. | My brethren, have not the faith of our Lord Jesus Christ, the Lord of glory, with respect of persons. |
| 2 | Fa raha misy olona miditra eo amin’ ny synagoganareo misy peratra volamena amin’ ny rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy, | For if there come unto your assembly a man with a gold ring, in goodly apparel, and there come in also a poor man in vile raiment; |
| 3 | koa mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin’ ny fitoerana aloha ianao; ary manao amin’ ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha etsy amin’ ny fitoeran-tongotro,― | And ye have respect to him that weareth the gay clothing, and say unto him, Sit thou here in a good place; and say to the poor, Stand thou there, or sit here under my footstool: |
| 4 | moa tsy miangatra va ianareo amin’ izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy? | Are ye not then partial in yourselves, and are become judges of evil thoughts? |
| 5 | Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin’ Andriamanitra va ny malahelo amin’ izao fiainana izao ho mpanankarena amin’ ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy? | Hearken, my beloved brethren, Hath not God chosen the poor of this world rich in faith, and heirs of the kingdom which he hath promised to them that love him? |
| 6 | Fa ianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin’ ny fitsarana? | But ye have despised the poor. Do not rich men oppress you, and draw you before the judgment seats? |
| 7 | Tsy izy koa va no miteny ratsy ny anarana tsara izay niantsoana anareo? | Do not they blaspheme that worthy name by the which ye are called? |
| 8 | Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra ianareo, araka ny Soratra Masìna hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”, dia manao tsara ianareo. | If ye fulfil the royal law according to the scripture, Thou shalt love thy neighbour as thyself, ye do well: |
| 9 | Fa raha mizaha tavan’ olona kosa ianareo, dia manota ka helohin’ ny lalàna ho mpanota. | But if ye have respect to persons, ye commit sin, and are convinced of the law as transgressors. |
| 10 | Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ ny iray loha dia meloka amin’ izy rehetra. | For whosoever shall keep the whole law, and yet offend in one point, he is guilty of all. |
| 11 | Fa Ilay nanao hoe: “Aza mijangajanga” no nanao hoe koa: “Aza mamono olona”. Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao. | For he that said, Do not commit adultery, said also, Do not kill. Now if thou commit no adultery, yet if thou kill, thou art become a transgressor of the law. |
| 12 | Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain’ ny lalàn’ ny fahafahana. | So speak ye, and so do, as they that shall be judged by the law of liberty. |
| 13 | Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’ izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana. | For he shall have judgment without mercy, that hath shewed no mercy; and mercy rejoiceth against judgment. |
| 14 | Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? | What doth it profit, my brethren, though a man say he hath faith, and have not works? can faith save him? |
| 15 | Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan’ andro, | If a brother or sister be naked, and destitute of daily food, |
| 16 | ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin’ ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an’ ny tenany, inona moa no soa azo amin’ izany? | And one of you say unto them, Depart in peace, be ye warmed and filled; notwithstanding ye give them not those things which are needful to the body; what doth it profit? |
| 17 | Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. | Even so faith, if it hath not works, is dead, being alone. |
| 18 | Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin’ ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ ny asako. | Yea, a man may say, Thou hast faith, and I have works: shew me thy faith without thy works, and I will shew thee my faith by my works. |
| 19 | Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,― ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. | Thou believest that there is one God; thou doest well: the devils also believe, and tremble. |
| 20 | Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa? | But wilt thou know, O vain man, that faith without works is dead? |
| 21 | Tsy nohamarinina tamin’ ny asa va Abrahama razantsika tamin’ ny nanaterany an’ isaka zanany teo ambonin’ ny alitara? | Was not Abraham our father justified by works, when he had offered Isaac his son upon the altar? |
| 22 | Hitanao fa niara-niasa tamin’ ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ ny asa; | Seest thou how faith wrought with his works, and by works was faith made perfect? |
| 23 | ary tanteraka ny Soratra Masìna manao hoe: “Ary Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany”, ary natao hoe “Sakaizan’ Andriamanitra” izy. | And the scripture was fulfilled which saith, Abraham believed God, and it was imputed unto him for righteousness: and he was called the Friend of God. |
| 24 | Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ ny asa ny olona, fa tsy amin’ ny finoana ihany. | Ye see then how that by works a man is justified, and not by faith only. |
| 25 | Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin’ ny asa va izy tamin’ ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin’ ny lalan-kafa? | Likewise also was not Rahab the harlot justified by works, when she had received the messengers, and had sent them out another way? |
| 26 | Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa. | For as the body without the spirit is dead, so faith without works is dead also. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL