야고보서 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 야고보서 (James) · 17절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin’ ny momba ny tenanareo? | From whence come wars and fightings among you? come they not hence, even of your lusts that war in your members? |
| 2 | Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka. | Ye lust, and have not: ye kill, and desire to have, and cannot obtain: ye fight and war, yet ye have not, because ye ask not. |
| 3 | Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin’ ny filanareo. | Ye ask, and receive not, because ye ask amiss, that ye may consume it upon your lusts. |
| 4 | Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’ izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’ izao tontolo izao, dia fahavalon’ Andriamanitra izy. | Ye adulterers and adulteresses, know ye not that the friendship of the world is enmity with God? whosoever therefore will be a friend of the world is the enemy of God. |
| 5 | Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masìna? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin’ ny fahasaro-piaro. | Do ye think that the scripture saith in vain, The spirit that dwelleth in us lusteth to envy? |
| 6 | Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ ny manetry tena”. | But he giveth more grace. Wherefore he saith, God resisteth the proud, but giveth grace unto the humble. |
| 7 | Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. | Submit yourselves therefore to God. Resist the devil, and he will flee from you. |
| 8 | Manatòna an’ Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. | Draw nigh to God, and he will draw nigh to you. Cleanse your hands, ye sinners; and purify your hearts, ye double minded. |
| 9 | Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo. | Be afflicted, and mourn, and weep: let your laughter be turned to mourning, and your joy to heaviness. |
| 10 | Manetre tena eo anatrehan’ ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy. | Humble yourselves in the sight of the Lord, and he shall lift you up. |
| 11 | Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao, dia tsy mpankatò ny lalàna, fa mpitsara. | Speak not evil one of another, brethren. He that speaketh evil of his brother, and judgeth his brother, speaketh evil of the law, and judgeth the law: but if thou judge the law, thou art not a doer of the law, but a judge. |
| 12 | Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao? | There is one lawgiver, who is able to save and to destroy: who art thou that judgest another? |
| 13 | He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra, | Go to now, ye that say, To day or to morrow we will go into such a city, and continue there a year, and buy and sell, and get gain: |
| 14 | kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. | Whereas ye know not what shall be on the morrow. For what is your life? It is even a vapour, that appeareth for a little time, and then vanisheth away. |
| 15 | Fa aleo manao izao: Raha sitrapon’ ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany. | For that ye ought to say, If the Lord will, we shall live, and do this, or that. |
| 16 | Fa izao dia mirehareha amin’ ny fahasahianareo ianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. | But now ye rejoice in your boastings: all such rejoicing is evil. |
| 17 | Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany. | Therefore to him that knoweth to do good, and doeth it not, to him it is sin. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL