로그인

아모스 7장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 아모스 (Amos) · 17절

  1. 1 Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nanao ny valala tamin’ ny voalohan’ ny nitsimohan’ ny kolokolon’ ahitra Izy; ary, indro, kolokolon’ izay nojinjana ho an’ ny mpanjaka izany.
  2. 2 Ary nony efa laniny avokoa ny zava-maniry amin’ ny tany, dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao aho mamelà heloka! Hataon’ i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
  3. 3 Nanenenan’ i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah.
  4. 4 Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko: Indro, Jehovah Tompo miantso hifandahatra hamely amin’ ny afo, ka nandevona ny lalina lehibe sy nila handany ny zara-lova izany.
  5. 5 Dia hoy izaho: Jehovah Tompo, Mifona aminao aho, mitsahara! Hataon’ i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
  6. 6 Nanenenan’ i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah Tompo.
  7. 7 Izao no nasehony ahy: Indro, ny Tompo nitsangana teo ambonin’ ny manda natao amin’ ny pilao, sady nisy pilao teny an-tànany.
  8. 8 Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy izaho: Pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy pilao eo amin’ ny Isiraely oloko Aho, fa tsy handefitra aminy intsony;
  9. 9 Dia ho foana ny fitoerana avon’ Isaka, ary ho rava ny fitoera-masin’ Isiraely; Ary hitsangana Aho ka hamely sabatra ny taranak’ i Jeroboama.
  10. 10 Dia naniraka tany amin’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin’ ny taranak’ Isiraely, ary tsy zakan’ ny tany ny teniny rehetra,
  11. 11 satria hoy Amosa: Ho fatin-tsabatra Jeroboama, ary hobaboina hiala amin’ ny taniny tokoa ny Isiraely.
  12. 12 Ary hoy Amazia tamin’ i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin’ ny tanin’ ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any;
  13. 13 fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin’ ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity.
  14. 14 Dia namaly Amosa ka nanao tamin’ i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho,
  15. 15 saingy nalain’ i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin’ ny Isiraely oloko.
  16. 16 Ka mba henoy ny tenin’ i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary aza milaza ny hamelezana ny taranak’ Isaka;
  17. 17 Koa izao no lazain’ i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin’ ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin’ ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin’ ny taniny tokoa.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗