아모스 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 아모스 (Amos) · 17절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nanao ny valala tamin’ ny voalohan’ ny nitsimohan’ ny kolokolon’ ahitra Izy; ary, indro, kolokolon’ izay nojinjana ho an’ ny mpanjaka izany. | Thus hath the Lord God shewed unto me; and, behold, he formed grasshoppers in the beginning of the shooting up of the latter growth; and, lo, it was the latter growth after the king’s mowings. |
| 2 | Ary nony efa laniny avokoa ny zava-maniry amin’ ny tany, dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao aho mamelà heloka! Hataon’ i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy. | And it came to pass, that when they had made an end of eating the grass of the land, then I said, O Lord God, forgive, I beseech thee: by whom shall Jacob arise? for he is small. |
| 3 | Nanenenan’ i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah. | The Lord repented for this: It shall not be, saith the Lord. |
| 4 | Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko: Indro, Jehovah Tompo miantso hifandahatra hamely amin’ ny afo, ka nandevona ny lalina lehibe sy nila handany ny zara-lova izany. | Thus hath the Lord God shewed unto me: and, behold, the Lord God called to contend by fire, and it devoured the great deep, and did eat up a part. |
| 5 | Dia hoy izaho: Jehovah Tompo, Mifona aminao aho, mitsahara! Hataon’ i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy. | Then said I, O Lord God, cease, I beseech thee: by whom shall Jacob arise? for he is small. |
| 6 | Nanenenan’ i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah Tompo. | The Lord repented for this: This also shall not be, saith the Lord God. |
| 7 | Izao no nasehony ahy: Indro, ny Tompo nitsangana teo ambonin’ ny manda natao amin’ ny pilao, sady nisy pilao teny an-tànany. | Thus he shewed me: and, behold, the Lord stood upon a wall made by a plumbline, with a plumbline in his hand. |
| 8 | Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy izaho: Pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy pilao eo amin’ ny Isiraely oloko Aho, fa tsy handefitra aminy intsony; | And the Lord said unto me, Amos, what seest thou? And I said, A plumbline. Then said the Lord, Behold, I will set a plumbline in the midst of my people Israel: I will not again pass by them any more: |
| 9 | Dia ho foana ny fitoerana avon’ Isaka, ary ho rava ny fitoera-masin’ Isiraely; Ary hitsangana Aho ka hamely sabatra ny taranak’ i Jeroboama. | And the high places of Isaac shall be desolate, and the sanctuaries of Israel shall be laid waste; and I will rise against the house of Jeroboam with the sword. |
| 10 | Dia naniraka tany amin’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin’ ny taranak’ Isiraely, ary tsy zakan’ ny tany ny teniny rehetra, | Then Amaziah the priest of Beth–el sent to Jeroboam king of Israel, saying, Amos hath conspired against thee in the midst of the house of Israel: the land is not able to bear all his words. |
| 11 | satria hoy Amosa: Ho fatin-tsabatra Jeroboama, ary hobaboina hiala amin’ ny taniny tokoa ny Isiraely. | For thus Amos saith, Jeroboam shall die by the sword, and Israel shall surely be led away captive out of their own land. |
| 12 | Ary hoy Amazia tamin’ i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin’ ny tanin’ ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any; | Also Amaziah said unto Amos, O thou seer, go, flee thee away into the land of Judah, and there eat bread, and prophesy there: |
| 13 | fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin’ ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity. | But prophesy not again any more at Beth–el: for it is the king’s chapel, and it is the king’s court. |
| 14 | Dia namaly Amosa ka nanao tamin’ i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho, | Then answered Amos, and said to Amaziah, I was no prophet, neither was I a prophet’s son; but I was an herdman, and a gatherer of sycomore fruit: |
| 15 | saingy nalain’ i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin’ ny Isiraely oloko. | And the Lord took me as I followed the flock, and the Lord said unto me, Go, prophesy unto my people Israel. |
| 16 | Ka mba henoy ny tenin’ i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary aza milaza ny hamelezana ny taranak’ Isaka; | Now therefore hear thou the word of the Lord: Thou sayest, Prophesy not against Israel, and drop not thy word against the house of Isaac. |
| 17 | Koa izao no lazain’ i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin’ ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin’ ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin’ ny taniny tokoa. | Therefore thus saith the Lord; Thy wife shall be an harlot in the city, and thy sons and thy daughters shall fall by the sword, and thy land shall be divided by line; and thou shalt die in a polluted land: and Israel shall surely go into captivity forth of his land. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL