아모스 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 아모스 (Amos) · 14절
- 1 Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko; Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra.
- 2 Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko: Tonga amin’ ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy intsony Aho.
- 3 Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa amin’ izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangìna re!
- 4 Mihanoa izao, ianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy hahafongana ny mpandefitra amin’ ny tany
- 5 Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga
- 6 Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary?
- 7 Jehovah nianiana tamin’ ny Reharehan’ i Jakoba ka nanao hoe: Tsy hisy hobadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza!
- 8 Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an’ i Neily sy hihena indray toy ny Neilin’ i Egypta.
- 9 Ary amin izany andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany;
- 10 Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy.
- 11 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’ i Jehovah;
- 12 Ary hivembena hatrany amin’ ny ranomasina ka hatrany amin’ ny ranomasina ny olona ary hatrany amin’ ny avaratra ka hatrany amin’ ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin’ i Jehovah izy, nefa tsy hahita.
- 13 Amin’ izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy,
- 14 Dia ireo izay mianiana amin’ ny fahotan’ i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon’ i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗