아가 6장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 아가 (Song of Songs) · 12절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin’ ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy. | Whither is thy beloved gone, O thou fairest among women? whither is thy beloved turned aside? that we may seek him with thee. |
| 2 | Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin’ ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin’ ny tanimboly sy hioty ny lilia. | My beloved is gone down into his garden, to the beds of spices, to feed in the gardens, and to gather lilies. |
| 3 | An’ ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin’ ny lilia. | I am my beloved’s, and my beloved is mine: he feedeth among the lilies. |
| 4 | Tsara tarehy tahaka an’ i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an’ i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon’ ny miaramila mitondra faneva. | Thou art beautiful, O my love, as Tirzah, comely as Jerusalem, terrible as an army with banners. |
| 5 | Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan’ i Gileada. | Turn away thine eyes from me, for they have overcome me: thy hair is as a flock of goats that appear from Gilead. |
| 6 | Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin’ ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana, | Thy teeth are as a flock of sheep which go up from the washing, whereof every one beareth twins, and there is not one barren among them. |
| 7 | Tahaka ny hasin’ ampongabendanitra ny takolakao eo amin’ ny fisalobonanao. | As a piece of a pomegranate are thy temples within thy locks. |
| 8 | Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa. | There are threescore queens, and fourscore concubines, and virgins without number. |
| 9 | Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin’ izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy. | My dove, my undefiled is but one; she is the only one of her mother, she is the choice one of her that bare her. The daughters saw her, and blessed her; yea, the queens and the concubines, and they praised her. |
| 10 | Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon’ ny miaramila mitondra faneva? | Who is she that looketh forth as the morning, fair as the moon, clear as the sun, and terrible as an army with banners? |
| 11 | Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongabendanitra. | I went down into the garden of nuts to see the fruits of the valley, and to see whether the vine flourished, and the pomegranates budded. |
| 12 | Tsy nampoiziko ny nanandratan’ ny fanahiko ahy ho eo amin’ ny kalesin’ ny fireneko be voninahitra. | Or ever I was aware, my soul made me like the chariots of Amminadib. |
| 13 | — | Return, return, O Shulamite; return, return, that we may look upon thee. What will ye see in the Shulamite? As it were the company of two armies. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL