아가 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 아가 (Song of Songs) · 16절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin’ ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin’ ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin’ ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala. | I am come into my garden, my sister, my spouse: I have gathered my myrrh with my spice; I have eaten my honeycomb with my honey; I have drunk my wine with my milk: eat, O friends; drink, yea, drink abundantly, O beloved. |
| 2 | Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon’ ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton’ ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan’ ny andon’ ny alina. | I sleep, but my heart waketh: it is the voice of my beloved that knocketh, saying, Open to me, my sister, my love, my dove, my undefiled: for my head is filled with dew, and my locks with the drops of the night. |
| 3 | Fa hoy izaho: Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana indray no fiakanjo? Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy? | I have put off my coat; how shall I put it on? I have washed my feet; how shall I defile them? |
| 4 | Nampiditra ny tànany teo amin’ ny loaka ilay malalako, dia nangorakoraka azy ny foko. | My beloved put in his hand by the hole of the door, and my bowels were moved for him. |
| 5 | Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho, ary nitete miora ny tanako, eny, ny rantsan-tanako nitete ranon’ ny miora teo amin’ ny famohana ny hidin-trano. | I rose up to open to my beloved; and my hands dropped with myrrh, and my fingers with sweet smelling myrrh, upon the handles of the lock. |
| 6 | Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin’ ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany. | I opened to my beloved; but my beloved had withdrawn himself, and was gone: my soul failed when he spake: I sought him, but I could not find him; I called him, but he gave me no answer. |
| 7 | Nahita ahy ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna, dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny manda nanala ny lamba fisaronako. | The watchmen that went about the city found me, they smote me, they wounded me; the keepers of the walls took away my veil from me. |
| 8 | Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’ i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, dia ahoana no holazainareo aminy? Lazao fa mararim-pitia aho. | I charge you, O daughters of Jerusalem, if ye find my beloved, that ye tell him, that I am sick of love. |
| 9 | Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin’ ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao? | What is thy beloved more than another beloved, O thou fairest among women? what is thy beloved more than another beloved, that thou dost so charge us? |
| 10 | Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin’ ny alinalina. | My beloved is white and ruddy, the chiefest among ten thousand. |
| 11 | Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika. | His head is as the most fine gold, his locks are bushy, and black as a raven. |
| 12 | Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan’ ny sakeli-drano, mandro amin’ ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy. | His eyes are as the eyes of doves by the rivers of waters, washed with milk, and fitly set. |
| 13 | Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon’ ny miora. | His cheeks are as a bed of spices, as sweet flowers: his lips like lilies, dropping sweet smelling myrrh. |
| 14 | Ny tenany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira; | His hands are as gold rings set with the beryl: his belly is as bright ivory overlaid with sapphires. |
| 15 | Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga miorina amin’ ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an’ i Libanona, tsara toy ny sedera. | His legs are as pillars of marble, set upon sockets of fine gold: his countenance is as Lebanon, excellent as the cedars. |
| 16 | Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin’ i Jerosalema! | His mouth is most sweet: yea, he is altogether lovely. This is my beloved, and this is my friend, O daughters of Jerusalem. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL