아가 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 아가 (Song of Songs) · 14절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Miverena, miverena, ry Solemita; Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin’ ny Solemita? Dihy tahaka ny an’ i Mahanaima. | How beautiful are thy feet with shoes, O prince’s daughter! the joints of thy thighs are like jewels, the work of the hands of a cunning workman. |
| 2 | Endrey! mahate-hijery ny famindran’ ny tongotrao mikiraro, ry zazavavy zanak’ andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon’ ny tanan’ ny mahay zavatra. | Thy navel is like a round goblet, which wanteth not liquor: thy belly is like an heap of wheat set about with lilies. |
| 3 | Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby sady voaravaka lilia manodidina. | Thy two breasts are like two young roes that are twins. |
| 4 | Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora. | Thy neck is as a tower of ivory; thine eyes like the fishpools in Heshbon, by the gate of Bath–rabbim: thy nose is as the tower of Lebanon which looketh toward Damascus. |
| 5 | Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo am-bavahadin’ ny tanàna be olona; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, izay manandrify an’ i Damaskosy. | Thine head upon thee is like Carmel, and the hair of thine head like purple; the king is held in the galleries. |
| 6 | Ny lohanao dia tahaka an’ i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan’ ny volo olioly ny mpanjaka! | How fair and how pleasant art thou, O love, for delights! |
| 7 | Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra ianao, ry malala, amin’ izao zava-mahafinaritra rehetra izao! | This thy stature is like to a palm tree, and thy breasts to clusters of grapes. |
| 8 | Izato tsangananao dia tahaka ny rofia, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony. | I said, I will go up to the palm tree, I will take hold of the boughs thereof: now also thy breasts shall be as clusters of the vine, and the smell of thy nose like apples; |
| 9 | Hoy izaho: Hananika ny rofia aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an’ ny poma, | And the roof of thy mouth like the best wine for my beloved, that goeth down sweetly, causing the lips of those that are asleep to speak. |
| 10 | Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan’ ny malalako sady miditra misononoka amin’ ny molotry ny matory. | I am my beloved’s, and his desire is toward me. |
| 11 | An’ ny malalako aho, sady manina ahy izy. | Come, my beloved, let us go forth into the field; let us lodge in the villages. |
| 12 | Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambanivohitra isika. | Let us get up early to the vineyards; let us see if the vine flourish, whether the tender grape appear, and the pomegranates bud forth: there will I give thee my loves. |
| 13 | Dia aoka hifoha maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongabendanitra any no hanehoako ny fitiavako anao. | The mandrakes give a smell, and at our gates are all manner of pleasant fruits, new and old, which I have laid up for thee, O my beloved. |
| 14 | Mamerovero tsara ny dodaima, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL