신명기 24장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 신명기 (Deuteronomy) · 22절
- 1 Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-tànany ka hampiala azy ao an-tranony.
- 2 Ary rehefa miala ao an-tranony ravehivavy, dia mahazo mandeha ka manambady olon-kafa.
- 3 Ary raha tsy tia an-dravehivavy ilay vao manambady azy ka manoratra taratasy fisaoram-bady koa ary manolotra izany eo an-tànany ka mampiala azy ao an-tranony, na maty ilay nanambady azy taoriana:
- 4 ilay nanambady azy taloha ka nisaotra azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izany; ary aza mampiditra heloka amin’ ny tany, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
- 5 Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory, fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny.
- 6 Aza misy olona maka ny fikosoham-bary ho tsatòka, na ny vatony ambony aza; fa maka aina ho tsatòka izany.
- 7 Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin’ ny Zanak’ Isiraely rahalahiny ka manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
- 8 Mitandrema ny amin’ ny habokana, ka araho tsara izay rehetra hatoron’ ireo Levita mpisorona anareo; araka izay nandidiako azy no hotandremanareo harahina.
- 9 Tsarovy izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ i Miriama teny an-dalana tamin’ ny nandehananareo avy tany Egypta.
- 10 Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.
- 11 Mijanòna eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano.
- 12 Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka,
- 13 fa tsy maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao izany.
- 14 Aza manao fitondrana sarotra amin’ ny mpikarama izay mahantra sy malahelo, na rahalahinao, na vahiny ao amin’ ny taninao sy ao an-tanànanao.
- 15 Fa andro anaovany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa malahelo izy, ka izany no irin’ ny fony; fandrao hitaraina amin’ i Jehovah noho ny nataonao izy, dia ho fahotana aminao izany.
- 16 Ny ray tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny rainy; fa samy hatao maty amin’ ny fahotany avy ihany ny olona.
- 17 Aza manao fitsarana miangatra amin’ ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian’ ny mpitondratena ho tsatòka.
- 18 Fa tsarovy fa andevo tany Egypta ianao, ary Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao ho afaka tany; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.
- 19 Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ ny asa rehetra ataon’ ny tananao.
- 20 Raha manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
- 21 Raha mioty ny voalobokao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
- 22 Ary tsarovy fa andevo tany amin’ ny tany Egypta ianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗