신명기 23장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 신명기 (Deuteronomy) · 26절
- 1 Tsy mahazo maka ny vadin-drainy ny olona, na maniry amin’ izay nandrian-drainy.
- 2 Tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany.
- 3 Ny zazasary tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah: na dia hatramin’ ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.
- 4 Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah: na dia hatramin’ ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah hatramin’ ny mandrakizay ireny,
- 5 satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an’ i Balama, zanak’ i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy.
- 6 Kanefa Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an’ i Balama, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anao Izy noho ny fitiavany anao.
- 7 Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin’ ny andronao rehetra mandrakizay.
- 8 Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita, fa rahalahinao izy, na ny Egyptiana, fa efa mba vahiny tany amin’ ny taniny ianao.
- 9 Ny zafiafin’ ireo dia hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.
- 10 Raha mivoaka hiady amin’ ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra.
- 11 Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin’ ny alina, dia hivoaka eny ivelan’ ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny.
- 12 Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin’ ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin’ ny toby indray izy.
- 13 Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan’ ny toby ho fivoahanao;
- 14 ary mitondrà fantaka miaraka amin’ ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin’ ny fantaka, ka totofy ny fivalananao.
- 15 Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan’ ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masìna ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao.
- 16 Aza atolotrao amin’ ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao.
- 17 Eo aminao no hitoerany, dia eo amin’ ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy.
- 18 Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin’ ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
- 19 Aza mitondra ny tangin’ ny vehivavy janga, na ny karaman’ alika, ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.
- 20 Aza mampanàna zavatra amin’ ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananaina.
- 21 Ny olona hafa firenena ihany no hampanananao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanananao; mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao eo amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.
- 22 Raha mivoady amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin’ i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao.
- 23 Fa raha tsy mivoady ianao, dia tsy fahotana aminao izany.
- 24 Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao, araka ny sitraponao nivoadianao tamin’ i Jehovah ihany, dia izay nolazain’ ny vavanao.
- 25 Raha mankany amin’ ny tanim-boaloboky ny namanao ianao, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza mitondra mody.
- 26 Raha mankany amin’ ny tanimbarin’ ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin’ ny namanao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗