신명기 25장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 신명기 (Deuteronomy) · 19절
- 1 Raha misy olona manana ady ka mankeo amin’ ny fitsarana ary tsarain’ ny mpitsara, dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka.
- 2 Ary raha tokony hokapohina ny meloka, dia aoka hampandrin’ ny mpitsara izy ka hokapohina eo anatrehany, ary hatao araka ny helony no isan’ ny kapoka hatao aminy.
- 3 Hatramin’ ny efa-polo no kapoka azo hatao aminy, fa tsy hatao mihoatra; fandrao raha mihoatra noho izany, dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao.
- 4 Aza manakombona ny vavan’ ny omby mively vary.
- 5 Raha misy mpirahalahy miara-monina, ary maty momba ny anankiray, dia aoka tsy hanambady vahiny any ivelany ny vadin’ ny maty; fa ny rahalahin’ ny vadiny ihany no aoka hanambady azy ka hitondra loloha azy.
- 6 Ary ny lahimatoa izay haterany dia hitondra ny anaran’ ilay rahalahy izay efa maty, mba tsy ho faty maso eo amin’ ny Isiraely izy.
- 7 Ary raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hankeo amin’ ny vavahady ho eo amin’ ny loholona ravehivavy ka hanao hoe: Ny rahalahin’ ny vadiko tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny, fa tsy mety mitondra loloha ahy.
- 8 Dia hantsoin’ ny loholona amin’ ny tanàna ralehilahy ka hadininy; ary raha mikiry izy ka manao hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy,
- 9 dia hanatona azy eo anatrehan’ ny loholona ny vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin’ ny tongo-dralehilahy, dia handrora amin’ ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin’ izay olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.
- 10 Ary ny anaran-dralehilahy dia hatao eo amin’ ny Isiraely hoe: Fianakavian’ ilay nalan-kapa.
- 11 Raha misy olona miady, ary ny vadin’ ny anankiray manatona hamonjy ny vadiny amin’ ny tànan’ izay mamely azy, ary maninjitra ny tànany ka mandray azy an-kasarotana,
- 12 dia hotapahinao ny tànany; tsy hiantra azy ny masonao.
- 13 Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao.
- 14 Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao.
- 15 Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro ianao any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
- 16 Fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany zavatra izany, dia izay rehetra manao ny tsy marina.
- 17 Tsarovy izay nataon’ ny Amalekita taminao teny an-dalana tamin’ ny nandehananareo avy tany Egypta,
- 18 dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodi-lalanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aorianao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an’ Andriamanitra izy.
- 19 Ary rehefa omen’ i Jehovah Andriamanitrao fitsaharana amin’ ny fahavalonao rehetra manodidina ianao any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin’ ny lanitra intsony: aza hadinoinao izany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗