신명기 22장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 신명기 (Deuteronomy) · 29절
- 1 Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin’ ny rahalahinao, dia aza atao tsy ho raharahanao izany, fa avereno any amin’ ny rahalahinao mihitsy izany.
- 2 Ary raha tsy akaiky anao, na tsy fantatrao, ny rahalahinao, dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra aminao mandra-pitadin’ ny rahalahinao azy, dia haverinao any aminy.
- 3 Ary toy izany koa no hataonao amin’ ny borikiny, na ny fitafiany, na ny zavatry ny rahalahinao, na inona na inona izay very ka hitanao; fa aza atao tsy ho raharahanao izany.
- 4 Ary raha hitanao ny borikin’ ny rahalahinao, na ny ombiny, potraka any an-dalana, dia aza atao tsy ho raharahanao izany; fa manampia ny rahalahinao hanarina azy.
- 5 Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.
- 6 Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin’ ny efa foy, na mbola atodiny, ary ny reniny manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny mbamin’ ny zanany.
- 7 Alefaso mihitsy ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao, mba hahita soa ianao ka ho maro andro.
- 8 Raha manao trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina ny tampony, fandrao hisy olona hianjera eny, ka hahatonga heloka ny amin’ ny rà ho ao an-tranonao ianao.
- 9 Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao samy ho lasa ho sazy ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanim-boalobokao.
- 10 Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany.
- 11 Aza mitafy lamba volon’ ondry sy rongony mifamahofaho.
- 12 Asio somotraviaviny ny zorony efatra amin’ ny lambanao izay itafianao.
- 13 Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy, ka tsy tiany indray ravehivavy,
- 14 dia haratsiny sy alàny baraka ka ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijina:
- 15 dia halain’ ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana azy ho virijina ka ho entiny ho eo amin’ ny loholona amin’ ny tanàna eo am-bavahady.
- 16 Dia hiteny amin’ ny loholona ny rain-drazazavavy hoe: Ny zanako-vavy nomeko ho vadin’ io lehilahy io, kanefa tsy tiany indray izy;
- 17 ary indro fa efa noharatsiny izy ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina; kanefa indreto ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan’ ny loholona amin’ ny tanàna izy mivady.
- 18 Ary halain’ ny loholona amin’ ny tanàna izany lehilahy izany ka hofaizany.
- 19 Dia hosaziny sekely volafotsy zato koa izy, ka homeny ny rain-drazazavavy izany, satria nahafa-baraka ny virijina anankiray tamin’ ny Isiraely ralehilahy; nefa dia ho vadiny ihany razazavavy ka tsy azony hisaorana amin’ ny andro rehetra hiainany.
- 20 Fa raha marina kosa izany lazainy izany, ka tsy hita ny famantarana an-drazazavavy ho virijina,
- 21 dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan’ ny mponina amin’ ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely izy ka nijangajanga tao an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
- 22 Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin’ olona, dia samy hatao maty izy roroa, na ralehilahy izay nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy koa; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny fanao ratsy.
- 23 Raha misy zazavavy virijina voafofo ho vadin’ olona, ary misy lehilahy mahita azy eo an-tanàna ka mandry aminy,
- 24 dia ho entinareo mivoaka ho eo amin’ ny vavahadin’ izany tanàna izany izy roroa ka hotorahanareo vato ho faty: razazavavy moa, satria tsy niantso, nefa tao an-tanàna ihany; ary ralehilahy koa, satria nandry tamin’ ny vadin’ ny namany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
- 25 Fa raha any an-tsaha kosa no ahitan-dralehilahy an-drazazavavy voafofo ho vadin’ olona, ary misavika azy ralehilahy ka mandry aminy, dia ralehilahy izay nandry taminy ihany no hatao maty.
- 26 Fa ravehivavy dia tsy hasianao na inona na inona; fa tsy misy ota tokony hahafaty azy; fa tahaka ny olona mitsangana hamely ny namany ka mahafaty azy no hevitr’ izany zavatra izany.
- 27 Fa tany an-tsaha no nahitany azy; ary niantso ihany razazavavy voafofo ho vadin’ olona, nefa tsy nisy hamonjy azy.
- 28 Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijina, izay tsy voafofo ho vadin’ olona, ka misavika azy sady mandry aminy, koa hita izy roroa,
- 29 dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an’ ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy, satria efa nosavihiny sady nandriany; ary tsy azony hisaorana izy amin’ ny andro rehetra hiainany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗