시편 95편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 11절
- 1 Avia, aoka isika hihoby ho an’ i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ ny Vatolampy famonjena antsika.
- 2 Aoka hankeo anatrehany amin’ ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ ny fihirana isika.
- 3 Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin’ ny andriamanitra rehetra Izy.
- 4 Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin’ ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo.
- 5 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin’ ny tànany.
- 6 Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan’ i Jehovah, Mpanao antsika;
- 7 Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe:
- 8 Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin’ ny andro tao Masa fony tany an-efitra,
- 9 Izay nakan’ ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako.
- 10 Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin’ izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin’ ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako;
- 11 Ka dia nianiana tamin’ ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗