시편 71편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 24절
- 1 Hianao, Jehovah ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho.
- 2 Vonjeo ny fahamarinanao aho, ka afaho; atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho.
- 3 Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao.
- 4 Andriamanitro ô, afaho amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy aho, dia amin’ ny tanan’ ny mpanao meloka sy ny lozabe.
- 5 Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.
- 6 Hianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; ianao namoaka ahy avy tany an-kibon-dreniko; ianao no deraiko mandrakariva.
- 7 Tonga toa zava-mahagaga eo imason’ ny maro aho; nefa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
- 8 Ny vavako ho feno ny fideràna Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva.
- 9 Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.
- 10 Fa miresaka ahy ny fahavaloko; ary miara-mioko izay manotrika hahazo ny aiko.
- 11 Ka manao hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho izy, ka sambory, fa tsy misy hamonjy.
- 12 Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingana hamonjy ahy.
- 13 Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy.
- 14 Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao.
- 15 Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany.
- 16 Ho entiko ny asa lehibe nataon’ i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany.
- 17 Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.
- 18 Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin’ ny taranaka sy ny asanao lehibe amin’ izay rehetra mbola ho avy.
- 19 Ary mihatra amin’ izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao?
- 20 Hianao Izay nampahita ahy fahoriana be sady mafy no hamelona ahy indray, ka hampiakatra ahy indray hiala amin’ ny fitoerana lalina amin’ ny tany.
- 21 Ampitomboy ny voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao.
- 22 Izaho kosa hidera Anao amin’ ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin’ ny lokanga aho, ry Iray Masin’ ny Isiraely ô.
- 23 Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao;
- 24 Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗