시편 62편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 12절
- 2 Andriamanitra tokoa no iantombenan’ ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.
- 3 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
- 4 Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona;
- 5 Misaina hanongana azy hiala amin’ ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin’ ny vavany izy, fa manozona amy ny fony. [Sela.]
- 6 Miantombena amin’ Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.
- 7 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.
- 8 Andriamanitra no iankinan’ ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin’ Andriamanitra.
- 9 Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika. [Sela.]
- 10 Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin’ ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.
- 11 Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin’ ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo.
- 12 Indray mandeha no nitenenan’ Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an’ Andriamanitra ny hery.
- 13 Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗