시편 51편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 21절
- 1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida,
- 2 fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an’ i Batseba izy.
- 3 Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.
- 4 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
- 5 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
- 6 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.
- 7 Indro, tamin’ ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.
- 8 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin’ ny miafina no ampahafantarinao ahy.
- 9 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.
- 10 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ ny taolana izay voavakivakinao.
- 11 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.
- 12 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
- 13 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masìna amiko.
- 14 Ampodio amiko ny fifaliana amin’ ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.
- 15 Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.
- 16 Vonjeo ho afaka amin’ ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako.
- 17 Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.
- 18 Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.
- 19 Ny fanatitra ho an’ Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
- 20 Manaova soa amin’ i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan’ i Jerosalema.
- 21 Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin’ ny afo; dia hanatitra vantotr’ ombilahy eo amin’ ny alitaranao ny olona.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗