시편 49편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 20절
- 2 Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao:
- 3 Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.
- 4 Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan’ ny foko dia fahalalana.
- 5 Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.
- 6 Nahoana no hatahotra amin’ ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian’ ny mpamingana ahy,
- 7 Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin’ ny haben’ ny fananany?
- 8 Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’ Andriamanitra izay avony,
- 9 (Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),
- 10 Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin’ ny lavaka.
- 11 Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an’ ny hafa.
- 12 Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny.
- 13 Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.
- 14 Izany no falehan’ ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny. [Sela.]
- 15 Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin’ ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin’ ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany.
- 16 Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita, Satria handray ahy Izy. [Sela.]
- 17 Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;
- 18 Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
- 19 Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona ― Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao ―
- 20 Dia hankany amin’ ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny.
- 21 Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗