로그인

시편 47편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 9절

  1. 2 Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an’ Andriamanitra.
  2. 3 Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin’ ny tany rehetra Izy.
  3. 4 Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika, ary firenen-tsamy hafa ho ambanin’ ny tongotsika.
  4. 5 Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr’ i Jakoba izay tiany. [Sela.]
  5. 6 Efa niakatra tamin’ ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin’ ny fitsofana ny anjomara.
  6. 7 Mankalazà an’ Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.
  7. 8 Fa Mpanjaka amin’ ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo.
  8. 9 Andriamanitra manjaka amin’ ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany masìna.
  9. 10 Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon’ Andriamanitr’ i Abrahama; fa an’ Andriamanitra ny ampingan’ ny tany; Avo indrindra Izy.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗