시편 31편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 24절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | In thee, O Lord, do I put my trust; let me never be ashamed: deliver me in thy righteousness. |
| 2 | Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin’ ny fahamarinanao aho. | Bow down thine ear to me; deliver me speedily: be thou my strong rock, for an house of defence to save me. |
| 3 | Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy. | For thou art my rock and my fortress; therefore for thy name’s sake lead me, and guide me. |
| 4 | Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy. | Pull me out of the net that they have laid privily for me: for thou art my strength. |
| 5 | Hanafaka ahy amin’ ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy. | Into thine hand I commit my spirit: thou hast redeemed me, O Lord God of truth. |
| 6 | Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana. | I have hated them that regard lying vanities: but I trust in the Lord. |
| 7 | Halako izay mivavaka amin’ ny sampy; fa Jehovah kosa no itokiako. | I will be glad and rejoice in thy mercy: for thou hast considered my trouble; thou hast known my soul in adversities; |
| 8 | Hifaly sy ho ravoravo amin’ ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian’ ny fanahiko, | And hast not shut me up into the hand of the enemy: thou hast set my feet in a large room. |
| 9 | ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan’ ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin’ ny malalaka Hianao. | Have mercy upon me, O Lord, for I am in trouble: mine eye is consumed with grief, yea, my soul and my belly. |
| 10 | Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho; simban’ alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny tenako. | For my life is spent with grief, and my years with sighing: my strength faileth because of mine iniquity, and my bones are consumed. |
| 11 | Fa lanin’ alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa lany ny taolako. | I was a reproach among all mine enemies, but especially among my neighbours, and a fear to mine acquaintance: they that did see me without fled from me. |
| 12 | Noho ny ataon’ ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin’ ny namako aza, sady atahoran’ ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy. | I am forgotten as a dead man out of mind: I am like a broken vessel. |
| 13 | Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho. | For I have heard the slander of many: fear was on every side: while they took counsel together against me, they devised to take away my life. |
| 14 | Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko. | But I trusted in thee, O Lord: I said, Thou art my God. |
| 15 | Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao. | My times are in thy hand: deliver me from the hand of mine enemies, and from them that persecute me. |
| 16 | Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon’ ny tanan’ ny fahavaloko sy izay manenjika ahy. | Make thy face to shine upon thy servant: save me for thy mercies’ sake. |
| 17 | Ampamirapirato amin’ ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin’ ny famindram-ponao aho. | Let me not be ashamed, O Lord; for I have called upon thee: let the wicked be ashamed, and let them be silent in the grave. |
| 18 | Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin’ ny fiainan-tsi-hita. | Let the lying lips be put to silence; which speak grievous things proudly and contemptuously against the righteous. |
| 19 | Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin’ ny avonavona sy ny fanamavoana. | Oh how great is thy goodness, which thou hast laid up for them that fear thee; which thou hast wrought for them that trust in thee before the sons of men! |
| 20 | Akory re ny haben’ ny zava-tsoanao voarakitrao ho an’ ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan’ ny zanak’ olombelona ho an’ izay mialoka aminao! | Thou shalt hide them in the secret of thy presence from the pride of man: thou shalt keep them secretly in a pavilion from the strife of tongues. |
| 21 | Hanafina azy ao amin’ ny fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon’ ny lela mifanditra izy. | Blessed be the Lord: for he hath shewed me his marvellous kindness in a strong city. |
| 22 | Isaorana anie Jehovah; fa nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda. | For I said in my haste, I am cut off from before thine eyes: nevertheless thou heardest the voice of my supplications when I cried unto thee. |
| 23 | Fa hoy izaho tamin’ ny fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon’ ny fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho. | O love the Lord, all ye his saints: for the Lord preserveth the faithful, and plentifully rewardeth the proud doer. |
| 24 | Tiava an’ i Jehovah, ry olony masìna rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy. | Be of good courage, and he shall strengthen your heart, all ye that hope in the Lord. |
| 25 | Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an’ i Jehovah. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL