로그인

시편 29편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 11절

  1. 1 Manomeza an’ i Jehovah, ry zanak’ Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’ i Jehovah.
  2. 2 Omeo an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna.
  3. 3 Ny feon’ i Jehovah no eny ambonin’ ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin’ ny rano be.
  4. 4 Ny feon’ i Jehovah be hery; Ny feon’ i Jehovah be voninahitra.
  5. 5 Ny feon’ i Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona.
  6. 6 Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak’ omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga.
  7. 7 Ny feon’ i Jehovah mampisaraka ny lelafo;
  8. 8 Ny feon’ i Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr’ i Kadesy.
  9. 9 Ny feon’ i Jehovah mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe: Voninahitra e!
  10. 10 Jehovah nipetraka teo ambonin’ ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay.
  11. 11 Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin’ ny fiadanana.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗