로그인

시편 143편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 12절 · 대역: King James Version

절Baiboly Malagasy (1865)King James Version
1 Jehovah ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin’ ny fifonako ny sofinao; Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao. Hear my prayer, O Lord, give ear to my supplications: in thy faithfulness answer me, and in thy righteousness.
2 Ary aza dia mifandahatra amin’ ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao. And enter not into judgment with thy servant: for in thy sight shall no man living be justified.
3 Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin’ ny tany izy: Nampitoeriny tao amin’ ny maizina aho, toy izay efa maty ela. For the enemy hath persecuted my soul; he hath smitten my life down to the ground; he hath made me to dwell in darkness, as those that have been long dead.
4 Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko. Therefore is my spirit overwhelmed within me; my heart within me is desolate.
5 Mahatsiaro ny andro fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan’ ny tananao no eritreretiko. I remember the days of old; I meditate on all thy works; I muse on the work of thy hands.
6 Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao. [Sela.] I stretch forth my hands unto thee: my soul thirsteth after thee, as a thirsty land. Selah.
7 Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midìna any am-pasana aho. Hear me speedily, O Lord: my spirit faileth: hide not thy face from me, lest I be like unto them that go down into the pit.
8 Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko. Cause me to hear thy lovingkindness in the morning; for in thee do I trust: cause me to know the way wherein I should walk; for I lift up my soul unto thee.
9 Jehovah ô, vonjeo amin’ ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko. Deliver me, O Lord, from mine enemies: I flee unto thee to hide me.
10 Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’ izay tany marina. Teach me to do thy will; for thou art my God: thy spirit is good; lead me into the land of uprightness.
11 Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin’ ny fahoriana. Quicken me, O Lord, for thy name’s sake: for thy righteousness’ sake bring my soul out of trouble.
12 Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho. And of thy mercy cut off mine enemies, and destroy all them that afflict my soul: for I am thy servant.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL