로그인

시편 142편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 7절 · 대역: King James Version

절Baiboly Malagasy (1865)King James Version
1 — I cried unto the Lord with my voice; with my voice unto the Lord did I make my supplication.
2 Ny feoko no itarainako amin’ i Jehovah; Ny feoko no ifonako amin’ i Jehovah. I poured out my complaint before him; I shewed before him my trouble.
3 Loarako eo anatrehany ny fitarainako; Ambarako eo anatrehany ny fahoriako. When my spirit was overwhelmed within me, then thou knewest my path. In the way wherein I walked have they privily laid a snare for me.
4 Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatro ny alehako; Eo amin’ ny lalana izorako No nanafenany fandrika hamandrihany ahy. I looked on my right hand, and beheld, but there was no man that would know me: refuge failed me; no man cared for my soul.
5 Jereo eo ankavanana, ka izahao, Fa tsy misy olona mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy miahy ny fanahiko. I cried unto thee, O Lord: I said, Thou art my refuge and my portion in the land of the living.
6 Mitaraina aminao aho, Jehovah ô; Hoy izaho: Hianao no aroko Sy anjarako eo amin’ ny tanin’ ny velona. Attend unto my cry; for I am brought very low: deliver me from my persecutors; for they are stronger than I.
7 Henoy ny fitarainako, Fa reraka indrindra aho; Vonjeo aho amin’ ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny. Bring my soul out of prison, that I may praise thy name: the righteous shall compass me about; for thou shalt deal bountifully with me.
8 Avoahy hiala amin’ ny tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao. —

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL