로그인

시편 143편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 12절

  1. 1 Jehovah ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin’ ny fifonako ny sofinao; Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.
  2. 2 Ary aza dia mifandahatra amin’ ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.
  3. 3 Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin’ ny tany izy: Nampitoeriny tao amin’ ny maizina aho, toy izay efa maty ela.
  4. 4 Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko.
  5. 5 Mahatsiaro ny andro fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan’ ny tananao no eritreretiko.
  6. 6 Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao. [Sela.]
  7. 7 Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midìna any am-pasana aho.
  8. 8 Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko.
  9. 9 Jehovah ô, vonjeo amin’ ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko.
  10. 10 Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’ izay tany marina.
  11. 11 Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin’ ny fahoriana.
  12. 12 Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗