시편 106편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 48절
- 1 Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 2 Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon’ i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra?
- 3 Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva.
- 4 Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin’ ny famonjenao aho,
- 5 Hahitako ny soa azon’ ny voafidinao, Hifaliako amin’ ny fifalian’ ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin’ ny lovanao.
- 6 Efa nanota izahay mbamin’ ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.
- 7 Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan’ ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron’ ny Ranomasina Mena
- 8 Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe.
- 9 Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy,
- 10 Namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalo.
- 11 Dia nosaronan’ ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
- 12 Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy.
- 13 Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony,
- 14 Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an’ Andriamanitra tany an-tany foana.
- 15 Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy.
- 16 Dia nialona an’ i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an’ i Arona, olo-masin’ i Jehovah.
- 17 Nisokatra ny tany, dia nitelina an’ i Datana Ka nanarona ny antokon’ i Abìrama.
- 18 Dia nisy afo nirehitra tamin’ ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.
- 19 Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan’ ny sarin-javatra an-idina.
- 20 Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin’ ny omby homana ahitra.
- 21 Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
- 22 Dia fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama sy zava-mahatahotra teo amin’ ny Ranomasina Mena.
- 23 Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin’ ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.
- 24 Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny,
- 25 Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon’ i Jehovah.
- 26 Dia nanandratra ny tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra
- 27 Ary ny taranany kosa any amin’ ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin’ ny tany maro Izy.
- 28 Nikambana tamin’ i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an’ ny maty,
- 29 Dia nampahatezitra an’ i Jehovah tamin’ ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana.
- 30 Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.
- 31 Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin’ ny taranaka fara mandimby mandrakizay.
- 32 Nampahatezitra an’ i Jehovah teo anilan’ ny ranon’ i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an’ i Mosesy noho ny nataon’ ireo;
- 33 Fa niodina tamin’ ny Fanahin’ i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.
- 34 Tsy naringany ny firenena Izay nasain’ i Jehovah naringany;
- 35 Fa nifangaro tamin’ ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony,
- 36 Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany.
- 37 Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an’ ny demonia ireo;
- 38 Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran’ ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an’ ny sampin’ i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin’ ny rà izy.
- 39 Ary naloto tamin’ ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony.
- 40 Dia nirehitra tamin’ ny olony ny fahatezeran’ i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.
- 41 Dia nanolotra azy teo an-tànan’ ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy.
- 42 Ary nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin’ ny tànany izy.
- 43 Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony.
- 44 Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany;
- 45 Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben’ ny famindram-pony.
- 46 Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin’ izay rehetra namabo azy.
- 47 Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna Sy hifalianay amin’ ny fiderana Anao.
- 48 Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗