사사기 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사사기 (Judges) · 31절
- 1 Ary ny firenena navelan’ i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana,
- 2 mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak’ Isiraely izany amin’ ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha;
- 3 dia ireo andriana dimy tamin’ ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin’ i Bala-hermona ka hatramin’ ny lalana mankany Hamata.
- 4 Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin’ i Jehovah, izay nasainy nandidian’ i Mosesy ny razany, izy, na tsia.
- 5 Ary ny Zanak’ Isiraely nonina teo amin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
- 6 Ary naka ny zanakavavin’ ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin’ ny zanakalahin’ ireny ka nanompo ny andriamaniny.
- 7 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha.
- 8 Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an’ i Kosan-risataima valo taona ny Zanak’ Isiraely.
- 9 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an’ ny Zanak’ Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin’ i Kenaza, zandrin’ i Kaleba.
- 10 Ary ny Fanahin’ i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an’ i Kosan-risataima.
- 11 Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak’ i Kenaza.
- 12 Fa nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray ny zanak’ Isiraely ary i Jehovah nampahery an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, hiady amin’ ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
- 13 Dia nampiangona ny taranak’ i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia.
- 14 Dia nanompo an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, valo ambin’ ny folo taona ny Zanak’ Isiraely.
- 15 Ary nitaraina tamin’ i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak’ i Gera, avy amin’ ny taranak’ i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, ny Zanak’ Isiraely.
- 16 Ary nanao sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny halavany; dia nataony tao amin’ ny fehin-kibony ambanin’ ny akanjo fiadiany izany, teny am-balahany ankavanana.
- 17 Dia nitondra ny fanomezana ho an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona.
- 18 Ary rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany.
- 19 Fa nony tonga teo amin’ ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.
- 20 Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin’ Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ ny seza fiandrianana Eglona.
- 21 Ary naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny am-balahany ankavanana, dia natsatony tamin’ ny kibon’ i Eglona izany;
- 22 ary difotra mbamin’ ny zarany, ka voasaron’ ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin’ ny kibony izy; ary niboroaka teo amin’ ny vodiny izany.
- 23 Dia nivoaka teo amin’ ny lavarangana Ehoda ka nandrindrina ny varavaran’ ny trano ka nanidy azy tao.
- 24 Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon’ i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran’ ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha.
- 25 Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran’ ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin’ ny rihana ny tompony
- 26 Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Seïrata.
- 27 Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin’ ny tany havoana ny Zanak’ Isiraely, ary izy no nitarika azy.
- 28 Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr’ i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.
- 29 Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin’ izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.
- 30 Dia resin’ ny tanan’ ny Isiraely ny Moabita tamin’ izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany.
- 31 Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak’ i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin’ ny fanindronan-omby; dia namonjy ny Isiraely koa izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗